MOMPERA LUIGI ORIONE. Short biography in Malagasy

Biography fohy amin'ny teny malagasy

Giovanni Venturelli

MOMPERA LUIGI ORIONE

 

 

ILAY RAOZIN’NY FAHAZAZANY

 

            Tapa-kevitra i Mompera Michele Cattaneo - iray tamin’ireo pretran’i Pontecurone - fa handeha hijery mivantana izao zavatra ambentin-dresaky ny tao an-tanàna izao : raozy iray, napetrak’olona teo akaikin’ny sarin’i Masina Maria teo an-tokontanin-dry Cazzaniga (fa volana Mey tamin’izay), tsy mba nalazo toy ireo hafa nanodidina azy fa dia mbola nahatahiry ny hatsarany sy ny fofony manitra…

            « Inona no dikan’izao, Mompera ?... » - hoy ireo vehivavy teo raha vao nahatazana azy – Efa ho andro maromaro izao no teo io raozy io… ».

            Fatratra loatra ny finoan’ity pretra ity ny hatsaram-pon’ilay Virjiny Masina indrindra : « Midika izao – hoy izy nihetsi-po rahefa nangina fotoana fohy – midika izao fa te hampahazo fahasoavana manokana ny tànanantsika i Masina Maria… ».  (sary 01)

            Andro vitsivitsy taorian’izay, fety be ny tao amin-dry Vittorio sy Carolina Orione, ny 23 Jiona 1872. Teraka ny zanany lahy faha efatra izay nomeny anarana roa mahafinaritra dia ny hoe Luigi (Louis) - ho fahatsiarovana ilay zokiny maty mbola zaza sady sitrany hanahaka an’i Md Louis de Gonzague rahateo izy -, Giovanni (Joany) - satria fetin’i Md Joany Batista, ilay mpialoha làlana an’i Jesoa, ny ampitson’io izay andro nanaovana Batemy azy.

            Isan’ireo vehivavy tonga tao amin-dry Cazzaniga nandritra ny volan’i Masina Maria koa i Neny Carolina, ary mba nitondra voninkazo koa izy tamin’izay. Ny azy àry ve ilay raozy ? Ny zanany vao teraka ve no ilay fahasoavana manokana nambaran’i Mompera Michele ?

            Izany no fiheveran’ireo vehivavy ireo sy ny tao an-tanàna manontolo, taona maro taty aoriana, rahefa nahita ny asa soa sy kanto nataon’i Mompera Luigi orione sy ny hatsaram-panahiny, indrindra ny fitiavany manokana ireo olona faran’izay sahirana, ny finiavany hankahery ireo rehetra nijaly ara-batana sy ara-panahy tamin’ny anaran’i Jesoa sy ny fitiavany masina, manerana izao tontolo izao.

 

 

AM-PITADIAVANA SAKAFO

Teraka tao anatin’ny fianakaviana mahantra i Compera Orione : mpandrary vato amin’ny làlana i Vittorio rainy, lehilahy tsy dia be teny nefa dia tia ny miasa mafy; i neny Carolina - ny reniny, Neny Carolina, dia vehivavy henjakenjam-pihetsika, tia vavaka ary fatra-pitahiry kosa dia sady mikarakara tokantrano no miasa eny an-tsaha ihany koa… Olona mahafatra-po, fatra-panaja ny hafa ary sitrak’olona izy ireo, nefa koa dia olona sahiran-dava tamin’ny famelomana ireo zanany.

            Teny iray tsy afaka am-bavan-dreniny matetika ny hoe « mofo ». Mbola kely i Luigi dia efa nandre izany matetika ary azo lazaina fa niara-hainy tamin’ny « Rainay any an-danitra » mihitsy aza. Raha vao azony natao dia nentiny hatrany, tany an-tsaha, tamin’ny hain’andro ity zanany kely…hitsimpona ireo salohim-bary latsaka tamin’ny tany : « Tsimpony, ry Luigi kely, fa ireny   ihany no tonga mofo !... Fa na i Jesoa aza, hoy izy nanampy, indray mandeha nahavatra nidina avy teny ambony soavaliny mihitsy mba hitsimpona sy hihinana tapa-mofo narian’olon-tsy fantatra… ! » Tsy misy filazàna izany ao amin’ny Evanjely nefa dia nino izany tokoa i Neny Carolina…

 

RENY FENO FAHENDRENA

 

            Sady tsy mahay mamaky teny no tsy mahay manoratra i Neny Carolina ; nefa dia nahay zavatra maro sy mahafoy tena tokoa rahefa ho an’ireo zanany, mahita loza ireo izay sahy mikasikasika azy ireo : ataony eo anilany hatrany izy ireo ; any am-piangonana, any an-trano, ka amin’ireny no hampianarany azy ireo izay tokony hatao sy ny tokony hohalavirina. « Toy izao no nampianarin-dreniko…toy izao no fanaon-dreniko… », hoy i Mompera Orione taty aoriana. Rahefa maneno ny lakolosin’ny tanàna dia miara-miventy ny “Arahaba ry Maria” miaraka amin’ireo zanany izy ; ny alahady indray, tsy maintsy fantany ny toerana namonjeny lamesa ; rahefa ririnina kosa, entiny manaraka azy hanao sapile sy haka hafanana any amin’ireo fahitr’olona manodidina eo ; mifanampy amin’izy ireo manely manoloana ny trano ireo filona nalaina teny an-tsaha hatapy andro sy hamidy…Mitomban-dahy rahateo mihitsy izy satria mazàna, mandavan-taona no tsy eo i Vittorio, izay miasa amin’ireo orinasa madinika, mamaky sy mandrary vato amin’ny arabe,  danin’ny andro sy mihosom-bovoky ny làlan-davitr’i Piemonte sy Lombardia.

            Fatra-pikatsaka ny soa ho an’ireo zanany tokoa i Neny Carolina, eny fa na dia ho azy mirahalahy zokiny aza dia i Benedetto (Benoît) sy Alberto (Albert), saingy fatratra loatra ny fiahiany manokana an’i Luigi  noho ny fahitany fiavahana loatra amin’ny hafa tao aminy : mahafatra-po izy, eny, saingy maherihery vaika toa voninkazo kely tsara fijoro sy matanjaka, ka mila tohanana mba hitombo mahitsy, mba ho tsara …

            Indray andro, raha niara-nilalao tamin’ireo namany teo amoron’ny fefy kely iray i Luigi dia nioty « campanella », irony voninkazo mahafinaritra misarin-kalisy mahafatifaty ny ankizy irony, ka rafitra nanontsakontsana azy, toy ny fanaon’ireny mpiservy lamesa mandritra ny « Masina, masina… » ireny. Dia injay fa namoaka feo ilay voninkazo… - Renareo ve izany ? - Ny inona ? - Maneno ity voninkazo ity…henoy tsara !... sady vao mainka nahontsany mafimafy kokoa ka injay indray ilay feo mahafinaritra (sary 2). Akory moa ny hahagagan’ireo namany teo toa nalain-kino.

 

NY LASAPELIN’I MASINA MARIA

 

             Mitamberina matetika ao an-tsain’i Neny Carolina ireny rehetra ireny… Mamonjy fianarana katesizy hatrany i Luigi, tiany ny miservy lamesa ka rahefa ao an-trano izy, milalao miaraka amin’ireo rahalahiny sy ireo ankizy madinika namany, dia mitaona azy ireo hanao « procession » sy hanao lamesa miaraka amin’ireo lamba tonta nalainy tao anaty vatan-drenibeny. Tiany loatra ny mandeha mamonjy ny Oratoaran’i Md François hihirahira ny « Salamo faha-50 … » miaraka amin’ilay mpikarakara sakristia na hamelona ilay lakolosy, izay manome feo maro araka izay hikapohana azy.

            Fa mbola nisy zavatra hafa nanaitra sy nankahery an’i Neny Carolina ihany koa dia ny famangian’i Luigi kely matetika ilay lavabaton’i Masina Maria Virjiny ao ampovoan-tanimboly sy ny fitondrany voninkazo eo ; ary na dia amin’ny ririnina mampivongan-dranomandry aza dia mbola mandeha ihany izy manatitra « voninkazo taratasy », izay nisasarany nandresen-torimaso ny alina mialoha (sary 3).

            Indray andro, hendratrendratra be ihany izy raha niditra ny trano. « Fa maninona ianao » hoy reniny nanontany azy. « Hain’i Neny moa - hoy ilay zaza namaly - fa toy izao hatrany no hanombohan’i Mompera any  am-piangonana ny toriteniny : « Tsy manana afa-tsy fanahy tokana isika, ka raha very io, dia ho inona no ho eo ?... » - Mahita ahy Andriamanitra, hitsara ahy Andriamanitra… ». Andro hafa koa, kotsa tanteraka izy raha nody tao an-trano : « Fa nataonao aiza indray moa ny elonao, ry Luigi ? ……. Tsy taitra Neny fa nomeko olo-mahantra tsy mba nanan-kialofana tamin’ny oram-baratra izay ilay izy. Izaho kosa, tsara tongontra hoenti-mihazakazaka… ».

 

I MOMPERA CATTANEO

 

            Tranga-javatra iray nanampy izay niseho tamin’izany taona izany koa ity. Mahazatra an’i Mompera Michel Cattaneo ny mitondra an’i Luigi kely izay tena tiany tokoa miaraka aminy rahefa mamangy marary. Io ilay pretra nahita ilay raozy tsy nety halazo sady mpiandraikitra ny Hopitaly tao an-tanàna ka fatratra ery ny fitiavany ireo olona sahirankirana. Hitan’ilaikely tamin’izany ireo fomba tsara fanaon’ity pretra ity : ireo teny mamy fanaony, hany ka latsaka lalina tao am-pony ny fahorian’ireo marary sy ny fiombonam-pijalian’ity Compera tsara fanahy ity amin’izy ireo ; ary akory moa ny hafaliany rahefa mba afa-mivimbina zavatra kely ho an’ireny marary ireny izy. Fa mbola nisy hafa koa : kinga tokoa i Mompera Michel raha hanao sari-sokitra ireny sarimasina ireny izay omeny ireo fiangonana mahantra ankoatr’ireo sary hosodoko misy soratra fanaony : fatratra ny fandinihan’i Luigi ireny zavatra ataony ireny ary faniriany nameno ny fony tokoa ny hanahaka azy… raha tsorina dia hoe nirona sady liana fatratra tamin’ireo zavatra tsara izy.

            Na izany aza nefa, toy ny ankizy rehetra, dia mba nanana izay ditraditran’ankizy tao aminy koa izy : indraindray miady amin’ireo namany, mifarombaka ny hamelona ny lakolosim-piangonana ka ny mandrangotra no mba fiarovan-tenany amin’izany rahefa ilainy ary tamin’ny fotoana sasany aza dia toa zaza mafy loha mihitsy no fisehony.

            Indray andro, nisahotaka noho ny nataony mihitsy ny iray tanàna. Tsikariny fa miasa hatrany tsy mba midonanam-poana izany na oviana na oviana ny rainy sy ny reniny, nefa dia misy tamin’ireo olona tao an-tanàna no mandany andro manodidina ny latabatra amin’reo hotely sy ny fivarotam-panafody manamorona ny araben’i Pontecurone, hitan’ny mason’ny mpandalo rehetra… Inona hoy ianao no nataony ?... Naka rantsan-kazo lava sady be ravina iray izy ka sady nihazakazaka tanoloan’ireo no nikororoka vovoka nampitora-jofo naharomotra azy ireo. Dia alao sary an-tsaina izay ho nanaovan-dreniny azy tamin’izay rahefa nody tao an-trano izy satria na misy marina ho azy aza ny antony nananovany izany, dia zava-tsy fanao ny toy izany…

            Nambarany taty aoriana fa fiantsoan’ny olona azy tamin’izany ny hoe « filohan-dry Barabasy » ary ireny hoy ihany izy no toy ny « tehamaina masina » nampianatra azy ho olon’ny rariny sy ny hitsiny : « Namolaka ahy ireny ! Ary amin’izao isika fotsy volo ankehitriny izao no aoka hitsofantsika rano ny hasiahan-dreny mamintsika !... »

 

NY SEKOLIN’NY FAHAZAZANA SY NY FIZARANA TAMIN’NY ASA

 

            Soa ihany fa tsy ela dia afaka tamin’ireny toetran-jaza maherihery setra ireny i Luigi noho ny asa…Raha ny amin’ny sekoly aloha dia tsy lasa lavitra izy : zara fa nahavita ny ambaratonga voalohany (1879-1880) sy ny dingana voalohan’ny ambaratonga faharoa tamin’ny Fanabeazana fototra izy. Vao migadona manko ny lohataona dia efa entin’ireo ray aman-dreniny  hanampy azy ireo amin’ny asany izy hany ka tsy nisy firy intsony ny fotoana nahafahany niala voly sy nilalao, izay tena tiany tokoa, ary tamin’izany izy no efa nizatra sahady ny namoy ny faniriany ara-drariny sy nankamamy ny fahantrana.

            Nanana ny fombany nenti-nankahery azy hiasa amin-jotom-po rahateo i Neny Carolina. Ohatra : « Raha mahafako kitay any an-tsaha ianao, hoy izy…raha mahatsimpona ny salohim-bary…raha mahavita izao sy izao… dia hoentiko any amin’ny foaran’i Md Didier any Castelnuovo sady hividianako kiraro… ». Raha sendra reradreraka iny i Luigi dia injay indray ilay teny mahagaga hoe « hividianako kiraro vaovao ianao… » ; dia iny tokoa ny anao lahy mihoitra miasa am-paharetana. Tonga ihany tokoa ny foara sy ireto kiraro vaovao mangilohilo… kanjo, raha vao hitodi-doha ho any an-tanàna dia hoy indray i Neny Carolina : « Raha hanaovanao hatrany an-trano iny dia ho potika sahady nefa tsara kokoa ny hitondranao azy iny rahefa hivavaka na rahefa hijery fety… » - dia ilay kiraro tonta ihany no nentin’i Luigi niverina tao Pontecurone fa ilay vaovao kosa nolanjainy teny an-tsorony.

 

TELO TAONA NIHARETANA NY MAFY TAMIN’NY  FIANARANA ASA

 

            Teo amin’ny faha-10 ka hatramin’ny faha-13 taonany ; nila fatratra an’i Luigi i Vittorio rainy : lafo loatra hoy izy ny manakarama ankizy handrary vato. Efa mba lehibe ihany ise ka sady afaka ny hanome tanana anay no hahazo zavatra kely ihany koa. Raha ny marina dia saika hiteny hamboraka ilay faniriany tao am-pony nandritra ny taona maro tamin-drainy teto ilay zaza, saingy nangina indray izy, ary lasa nanaraka azy…

            Ankoatr’ireo volana vitsivitsin’ny ati-ririnina dia nolaniany niaraka tamin’ireo mpiasa toa azy ny taona manontolo. Fiainan-tsarotra sy tandindomin-doza ho an’ny ankizy toa azy : Any am-pahitra mazàna no matory, niaritra ny danik’andro ; nandreraka azy ny nandohalika tamin’ny tany mando, ny miloloha vato sy ny manosika borety. Indraindray tsy ilaozan’ny zava-mitranga tsy tantiny mihitsy. Indray andro, tao Cassino Monferrato, nampivarahontsana an’i Luigi ny nandre ny teny ratsy rarak’ompana nataon’ny mpiasa iray toro rantsana ka iny izy no lasa nihazakazaka nankao amin’ny Fiangonan’i Md Joany ; nanatsoboka ny rantsany tao amin’ny fitoeran-drano voahasina dia nanasa ny lelany tamin’izany. Indray mandeha koa, tao Nizza Monferrato, raha nandre olona iray niozonozona izy dia navelany teo ny boretiny ka fo torotoro sy oriory no nentiny niditra tao am-piangonana ary rafitra nivavaka izy, nihanta tamin’ny Tompo mba hamela azy ho faty toy izay haniratsira an’Andriamanitra amin’ny teny ratsy toy izany (sary 4).

 

ILAY TSIAMBARATELONY

 

            Efa ho fotoana elaela ihany anefa izao, ary efa saika voalaza ihany, no nisisiham-paniriana ny fon’i Luigi : - « Neny ô ; hoy izy indray andro, tiako ny hanasoa ireo mahantra sy ireo marary toa an’i Mompera Michele… Sitrako ny ho tonga toy ilay mpitoka-monina tonga mangataka ety iny : avelao hanaraka azy ireo aho… - Manàna faharetana ry Luigi , hoy i Neny Carolina , mbola mila anao rainao ankehitriny…Mangataha amin’i Masina Maria dia ho hitanao fa ho avy ihany ny fotoana ho anao… ».

            Andro vitsivitsy talohan’io tokoa mantsy, raha sendra mba tao an-trano niaraka tamin-dreniny i Luigi no indro nandondona tao am-baravarany ny mpitoka-monina iray ka nony nahazo ny anjara fiantrany dia nanontany azy hoe « Iza no anaran’ise ? Zaza tsara toetra tokoa no fijery an’ise ! Tian’ise ve ny hanompo ny Tompo toa ahy ?... Resin-kenatra ihany i Luigi teo ka tsy namaly ary dia nitodika tamin’i Neny Carolina ilay Frera : Mahafaly anao ve raha manaraka ahy ny zanakao ?... Tamin’izay dia toa notanteraham-pahazavana lehibe ny fon’ilay zaza raha nahare ilay resaka. Indray andro koa raha nanampy an-drainy nandrary vato ny lala-miakatra mankao amin’ireo Frera Capucins tao Tortona izy, ka nahita azy ireo nivoaka sy niditra dia heni-paniriana ny handeha hanompo ny Tompo toa azy ireo na dia hitambezo ny tadin-ketran’izy ireo ihany aza… Nalahelo mafy ery ny fony.

            Ny naha-lavitra azy ny akaniny, ny fifampikasohany tamin’ny faharatsian’ny olona mpiara-niaina taminy no nandrehitra tao am-pony tao ny faniriana handao mandrakizay izao tontolo izao… Soa ihany fa tao an-tsainy mandrakariva ilay tenin-dreniny, izay harena ho azy nanao hoe « Mangataha amin’i Masina Maria, ry Luigi… ». Hany ka, isaky ny sabotsy, aorian’ireo asa mafy sy lalan-davitra hamonjeny ny toby miaraka amin’ny hafa, dia iny izy no mandeha mikonfesy ary mandray komonio ny ampitso alahady.

            Rahefa miasa any Castelnuovo Calcea dia tsy manadino ny volana Mey. Hatsaran’izay Otely re izany, miaraka amin’ireto voninkazo fotsy madio maro mirantsandrantsana. Raha mbola miala voly sy miala sasatra amin’ny asa iny maro, dia lasa mandeha ao am-piangonana izy, mihanta amin’i Masina Maria ny hahatonga azy ho pretra : « Faniriako lalina hatry ny fony kely manko izany… », hoy izy.

Lalina anefa ny nahazo azy indray mandeha. Tsy mba nandrinandry kely toy ny fanao rehefa avy misakafo atoandro izy, fa lasa nankany am-piangonana ; saingy raha nahita azy zazalahikely rovidrovi-pitafiana tamina ora toy izao tao ilay mpikarakara sakristia dia nihevitra azy ho mpangalatra ka dia nandroandroaka azy.

 

MARIA MPANJAKAVAVIN’I FOGLIATA

 

            Fa mbola nisy hafa koa. Indray takarivan-dririnina, raha sendra tao amin’ny fahitr’i Nenitoa Giuseppina iny izy, tsy dia lavitra an’i Casalnoceto, dia nandre ny resak’ireo vehivavy nalahelo mafy ny amin’ny faharavan’ilay toerana fanajana fahiny an’i Maria Mpanjakavavin’i Fogliata izay tsy dia lavitra loatra nt tànana : korontam-bato sy rantsam-boaloboka ringidringitra no sisa ao. Tohina i Luigi raha nandre izany. Tsy niteny tsy nivolana izy fa nandeha niakatra tao andavarangan’ny tafotrano dia nitodika tany amin’ilay toerana noresahin’ireo vehivavy, nandohalika sy velon-tsento hoe : « Ry Masina Maria mamiko, Mpanjakavavin’i Fogliata ! Ombao ny fahasoavanao aho mba ho tonga pretra, ary mampanantena aho fa hanavao io toeram-panajana anao io… ». Nitoetra teo naharitraritra izy vao lasa natory nefa dia tsy nahita tory firy… Vao maraina be, ny ampitso, dia efa lasa izy nizaha akaiky izay niafaran’io toeram-panajana an’i Masina Maria io : nofafany ireo ranomandry dia nandohalika izy namerina indray ilay fangatahany : « Ry Virjiny masina, omeo ny fahasoavanao aho… dia hamboariko ity toeram-panajana anao ity… » (sary 5). Taona maro taty aoriana ; nitana ny teny nataony tamin’izay i Mompera Orione ary ankehitriny dia niverina tanteraka ny fanajana an’i Maria Mpanjakavavin’i Fogliata.

            « Ilaina ny ho tonga tompon’ny Fon’i Masina Maria - hoy i Luigi Orione tamin’ireo mpianany taty aoriana - dia ho azo atao izay tiana hatao amin’ny Fon’i Jesoa… ». Tamin’izay dia izy mihitsy no nahatsapa ny fahamarinan’izany. Niteny tamin’i Vittorio rainy, indray andro, i Neny Carolina : « Harary ity zaza ity raha tsy halefa ho any amin’ireo mpitoka-monina… Hiha-sarotra ny asantsika nefa aoka atao izay hahafaly azy fa dia efa mijaly loatra izy… Tanteraho arak’izany, hoy i Vittorio rainy namaly, nefa tokony hazava tsara fa raha lasa any izy dia aoka tsy hisy amintsika hanantena tombontsoa avy aminy, satria izy no mety hila ny fanampiantsika fa tsy isika no hila azy… ».       

 

LAKOLOSIN’NY PAKA TSY HAY HADINOINA

 

            Ilaina àry ny olona iray hikarakara ny fampidirana an’i Luigi any amin’ireo mpitoka-monina. Efa pretra nitantana an’i Pontecurone fahiny i Mompera Milanese, izay fianakaviana rahateo, ary vao voatendry indray hiasa amin’ny tanàna tsy dia lavitra. Lasa nandeha an-tongotra ho any àry i Neny Carolina sy Luigi…Mandalo indrindra ilay toerana fanajana an’i Maria Mpanjakavavin’ny Fahasoavana, izay efa tsy nisy mpikarakara intsony, manamorona ny Casei Gerola, ny làlan’izy ireo. Nihidy ny varavarana nefa dia nandohalika teo amin’ny tany izy mianaka, nanoroka tam-panajana feno ny varavarana ary nivavaka… Teo indray i Luigi dia nanome toky tao am-pony miafina, an’i Masina Maria fa hanarina ity toeram-pivavahana ity, raha ombany fahasoavana ka ho tonga pretra. Akory moa ny hafalian’ny mponina teo, taty aoriana, raha vao azony notanterahina tokoa izay nampanantenainy (sary 6).

            Ny 04 Avrily 1885, tafaverina avy tany Molino dei Torti i Luigi sy Vittorio rainy , nandeha tany amin’i Mompera Milanese izy ireo mba hilazan-drainy ny fankatoavany ny hidiran’i Luigi ao amin’ny toeram-pitokana-monin’i Voghera. Tsapan’ilay zaza ho toa niditra tao am-pony avokoa tamin’izay ny hasambaran’izao tontolo izao. Dia hoy Vittorio tamin’i Luigi zanany teny an-dalana hody : « Nosaininao tsara ve izao santarinao hatao izao ? Fantaro fa ho fahoriana lehibe ho ahy tokoa ny hiverenana any an-trano any aoriana, sanatria !... Raha te ho tonga pretra ianao, dia tsarovy fa tsy maintsy ho pretra hatraiza hatraiza !... - Eny, ry Dada , hoy ilay zaza, tsy hiverina ao an-trano intsony aho !... ». Tampoka, raha iny nangina iny indrindra izy mianaka, no injay nanakoako nanaka-danitra ny feon-dakolosy tao an-tanàna, toa antsam-pihobiana. Dia rafitra nisafo ny ahitra kotsan-dranonando ny tanan’i Vittorio sy ny an’ilay zanany ary nikoso-maso ho mari-panajana. « Sabotsy masina » tamin’izay… Ilay Paka soa indrindra teo amin’ny fahazazan’i Luigi Orione.

 

TAO AMIN’IREO MPITOKA-MONIN’I VOGHERA

 

            « Inona no ao anatin’io zavatrao io ?... hoy ny fanontanian’ny mpitoka-monina iray, fony ilay mpandroaka sarety nampidina  ny valizin’ilay tovolahy kely teo antokotanin’ny toeram-pitokana-monin’i Voghera ? Vorodamba angamba o ?... Nahararirary an’i Luigi izany satria nitamberina tao an-tsainy ny reniny, nandamina azy ireo fatratra tao anatiny… Tsy namaly anefa izy. « Avy aiza moa ise ? hoy indray ilay Frera - Avy any Pontecurone !... - Hay ! ilay tanànan’olona voan’ny goître !... hoy ihany ilay Frera  nihomehy, naneso. Toa nirodana teo amin’i Luigi ny fahatsapany izao tontolo izao. Voa na tsy voan’ny goître, ireo mpiray tanàna aminy hatrany no olona tiany indrindra. Soa ihany tamin’izay fa avy nanatona azy i Mompera Lucio nandray azy tamim-pahatsoram-po tsy mba toy ilay iray. Na i Luigi aza mba nahatsiky koa tamin’ny farany ary niomana ny handray ny valiziny nefa tsy nankasitraka izany i Mompera Lucio : Avelao, hoy izy, avelao fa hisy hitondra an’io any an’efitrano. Dia lasa sahady ny eritreritr’i Luigi, falifaly, nisaina fa anio alina ihany dia efa hamola-tena handry amin-gonin-katsaka toy ireo mpitoka-monina izy. Tsia, mbola handry ambony kidoro ianao anio alina,  hoy ilay Tale mahafinaritra, fa rahampitso dia efa hatory ambony mololo ihany koa ianao… »

 

            Toa nanonofy i Luigi Orione !  Miara-miaina amin’ireo namany, mianatra, milalao, miara-mivavaka…tena fiainan-tsambatra sy masina !... Efa miakanjo ny fanamian’ny mpitoka-monina ny sasany tamin’ireo : rahoviana kosa no higadona ny fotoana hisalorany izany ?... Sahirana tamin’ny fianarany izy satria tsy nahavita akory ny ambaratonga fototra ; nefa dia fatratra ny fahafoizan-tenany tao anatin’ny hirifirin-dririnina hianatra hatramin’ny alina. Nandeha ny feo fa tsy ho ela dia hotolorana ny fanamian’i Md François ireo izay mbola tsy manana : Akory ny hafalian’i Luigi niandry ny hahatanteraka izany…

 

NY NOFINY NAHITA FRERA NISALOTRA AKANJO FOTSY

 

Alakamisy masina, ny taona 1886. Endrey ny hatsaran’ireo voninkazo teo amin’ny Otely sy ny hazavana manjopiaka nanodidina. Nigadona tao amin’ny fiangonan’ny mpitoka-monina eo ambany fiarovan’i Md Piera ny dia mivavaka. Milahatra mitondra jiro miaraka amin’ireo namany i Luigi. Tampoka teo, nihahatsatra izy, nihovitrovitra sy mivembena. Rahefa nahatsiaro tena avy eo, indro izy eo am-pandriana keliny, toa tsy tompon’ny tenany, mivoara-menan’ny tazo… Nanodidina azy teo avokoa ry Mompera ; tonga ny mpitsabo sy ireo ray aman-dreniny : tsy nisy nahaloa-peo sy samy feno fanahiana, toa reny aza ny iray teo nilaza hoe « Efa mangamangana izy izany, toa efa ho faty ary tsy ho tafavoaka velona intsony… Pnemonia no mahazo azy !... ». Efa samy ratsiratsy saina ny rehetra. Tampoka anefa tsy nisy hitany intsony izy ireo izay teo, fa indreo kosa pretra tanora marobe nisalotra akanjo fotsy no hitany nameno ny efitra sy nijery azy…Nofy…sa fahitana ? … Tsy fantatra fa ny marina dia hoe nahatsiaro ho nihatsara niandalana izy hatreo, nahazo hery indray ary dia sitrana tanteraka… Taona maro taty aoriana, ny taona 1928, vao nihanazava taminy ny hevitr’io nofy io rehefa noraisin’ireo pretrany tanora io tranon’ny mpitoka-monina io, izay zary trano fibeazan’ny Fikambanany.

            Nihena be anefa hatreo ny herim-batany : tsy afa-nianatra sy niasa ary indrindra indrindra tsy nahazaka intsony ireo famolahan-tenan’ny mpiofana ho Fransiskanina. Nilazan’ireo pretra izy fa tsy afaka ny hijanona ao intsony saingy dia nanao an-dranomaso nangataka ny hotanana ihany. Nandramana nalefa naka rivotra tany ivelany niaraka tamin’ireo Frera mpangataka ihany izy saingy vao mainka reraka indray toy ny tamin’ny voalohany. I Dokotera Odisio aza dia efa nilaza fa ho faty tsy ho ela izy satria haingana loatra ny fitempon’ny fony. Tamin’alahelo lehibe no nandefasan-dry Mompera azy hody any Pontecurone. Ranomaso moa izany ny an’i Luigi !... Feno toky hatrany kosa anefa izy fa ny Tompo sy i Masina Maria no hiahy azy sy ny hoaviny.

 

MPIANATR’I DON BOSCO

 

            Tsy tao Turin ilay Apostolin’ny tanora tamin’ny fotoana nigadonan’i Luigi Orione tao amin’ny Oratoaran’i Valdocco ny 04 Oktobra 1886 : Fatratra ny fiandrasan’ny rehetra azy, izay ho avy afaka herinandro vitsivitsy. Nandritra izany anefa dia nahafinaritra tokoa ny tao anatiny tao : tovolahy telonjato, mpiasa tànana sy mpianatra, kely sy lehibe, pretra sy relijiozy maro ; lalao, fianarana , seho an-tsehatra , fivavahana. Vao tonga i Luigi dia efa nisoratra anarana sahady ho mpikambana anatin’ny Fikambanana « Luigini » (Md Louis kely) sy ny an’i Masina Maria tsy azon-keloka hatrany am-bohoka : Nahafinaritra azy ny rehetra tao : fiainana feno hafaliana sy fandraisan’andraikitra, fankalazana manetriketrika teo an-tongotr’i Masina Maria Vonjin’ny Kistianina tao amin’ny Sanctuaire. Fety hatrany isak’izay misy pretra vao nohamasinina na misionera ‘ndeha hiondrana. Ny famangian’ireo olo-malaza marobe tonga ao amin’ny Oratoara ! Fanehoam-pitiavana tapitr’ohatra ny Eokaristia sy Masina Maria, ny Papa sy ny tanora ary ny fanahy rehetra !... Tafiditra tanteraka tamim-pahavitrihana tao anatin’izany tontolo bitika izany izy, bitika nefa mifanaraka tanteraka amin’ny faniriany sy ny nofinofiny !...

 

VOADIN’NY FAHADIOVANA

 

Ilay pretra mpanampy an’i Don Bosco, Mompera Michele Rua, izay feno fahamasinana ihany koa, no mpitantana azy am-panahy tao…Tao an-katoky ny fankalazana ny fetin’i Masina Maria tsy azon-keloka hatrany am-bohoka no nahatsapan’i Luigi ny ilàna ny fanoloran-tenany feno fahasahiana amin’izao taonany izao : ny marainan’ny 08 Desambra, rahefa nahazo alalana avy tamin’i Mompera Rua, dia indro izy, mitafy ny fanamian’ireo mpiofana sy ny salotr’akanjo fotsy, manoloana indrindra ilay sarilehiben’i Masina Maria vonjin’ny kristianina tao amin’ny Sanctuaire : nasesiky ny fony izy ka nanokana mandrakizay ny fahadiovany tamin’ilay tsy azon-keloka hatrany am-bohoka !... Vao 14 taona izy tamin’izay (sary 7)

 

MPANOTA BE

Toa inona moa ny fihetseham-pony tamin’ny nahitany voalohany an’i Don Bosco ! Olomben’ny Fahamasinana ! Izato maso sy tsikiny manaitra sy mitaona ho amin’ny hatsaràna ! Toy ny hoe ho azy no hahaveloman’ireto tanora maro be : vonona hanolotra ny ainy sy ny fiainany amin’ny fanarahana azy hatraiza hatraiza manerana ny tany sy mba ho tonga mpianany. Nisy faniriana iray tonga tao amin’i Luigi : naniry ny hikonfesy tamin’ity Rain’ny fanahin’ny tanora maro ity izy ; te handre ny teniny sy ny toro-heviny. Tamin’izay anefa ; tsy salama loatra i Don Bosco ka tsy nandray tanora afa-tsy ireo efa zokinjokiny amin’ny fiofanana hisafidy ny lalam-piainany tsy ho ela. Feno fanantenana anefa i Luigi na teo aza ny taonany mbola kelikely. Nanampy azy hahatò ny faniriany tamin’izay i Mompera Berto, mpitantsoratr’ity Olomasina ity teo aloha. Tamin’ny fotoana voalohany hihaonany aminy àry dia kahie telo no tao am-paosiny. Naniry hanao konfesy faobe mantsy izy ka dia nosoratany tao avokoa izay fahotana efa voasorany tany amin’ny bokin-tahirim-piainany mba tsy hisy na iray aza hampiasa loha azy : fahotana tokana no nolazainy fa tsy mba nataony : « Efa namono olona ve ianao ?...- Tsia ! ». Teo am-piandrasana ny anjarany dia lasa ny sainy : « Asà, inona re no holazain’i Don Bosco rahefa hamaky ireto izy e ?... ». Niditra àry izy…Nandinika azy fotoana fohy ilay Olomasina dia nanao hoe « omeo ahy ireny fahotanao ireny ! »…Navoakan’i Luigi avy any ny kahie voalohany…nefa dia norovitin’i Don Bosco…  « Omeo ahy koa ny hafa ! »…Toy izany koa no nanaovany ireo… « Vita ny konfesy !... Aza mieritreritra intsony izay voasoratrao tao ary aza niherika ny lasa intsony… Aoka ho faly mandakariva !... Mpisakaiza hatrany isika !... ». Dia nitsiky taminy, tamin’ny tsiky tsy manam-paharoa i Don Bosco.

 

ILAY FANONDRO NARATRA

 

            Vitan’i Luigi tao anatin’ny telo taona ny taona dimin’ny Sekoly Ambaratonga faharoa. Nisy sarin’i Masina Maria nomen’i Mompera Michele avy any Pontecurone an’i Don Bosco tao amin’ny sanctuaire fanajana an’Ilay Vonjin’ny Kristianina. Eo no fidodododoany raha vao misy olana ny fianarany : « Mifankahalala tsara isika satria avy any an-tanànako koa ianao… koa ampio aho ! ».  Tovolahy izao i Luigi, matotra fiaina sy mavitrika amin’izay mety ho hatsarana : manonofy sahady ny ho misionera hiampita ranomasina hamonjy fanahy maro sy hanokatra sekoly ho an’ireo ankizy mahantra… Nanohina loatra ny fony ny mahita ireo traboinan’ny Tranokelin’ny Fitondran’Andriamanitra nitandavana tsy lavitra ny Cottolengo.

            Niaina tao anaty tebiteby ny rehetra tao amin’ny Oratoara ny volana Janoary ny taona 1888 : narary mafy i Don Bosco… Nanora-tena nanome ny anarany an’i Mompera Berto i Luigi mba hotononina mandritra ny lamesa miaraka amin’ireo dimy mirahalahy manolo-tena ho an’ity Apostolin’ny tanora. Lasa namonjy ny Paradisa vao maraim-ben’ny 31 Janoary anefa ity farany. Ranomaso ny an’ny mponin’i Turin sy Italia manontolo.

Napetraka teo ambony seza mihaja iray tao amin’ny Fiangonan’i Md François, tao amin’ny Oratoara ny vatany mangatsiaka, noho ny fanirian’ny vahoaka te-hahita maso azy farany. Isan’ireo tanora mpianatra nitatitra ireo fehezam-boninkazo sy fahatsiarovana samihafa ho eo aminy i Luigi tamin’izay. Nisy hevitra tonga tao an-tsainy : Nidina faingana tany amin’ny efitrano fihinanana izy ; nitetika tapa-mofo nokasainy hakasika ny vatan’i Don Bosco mba ho fanasitranana marary… Noho izy maika loatra, sady izy koa kavia rahateo, dia voadidin’ny antsy ilay « rantsan’ny Lamesa », ny fanondrony havanana : teo no ho eo ihany, noho ny tahony tsy ho tonga pretra noho izany, dia nihazakazaka nanatona ny razan’i Don Bosco nitana ity rantsany naratra izy : nitsahatra tamin’ny fikasohany an’i Don Bosco ny rà ary nanako-pery avy hatrany ny feriny… Io no fahagaga voalohany vitan’ity Olomasina ity taorian’ny nahafatesany !... (sary 8)

 

FIOVANA TAMPOKA

 

            Aogositra 1889 : « Fa nahoana lesy ialahy ry Luigi no tsy nanao taratasy fangatahana hiditra novisià » ; hoy ny namany iray. « Teo ambonin’ny fasany no nampahalalan’i Don Bosco ahy fa tsy ity lesy no lalako… »… Gaga avokoa na ireo lehibeny na ireo namany : « Ahoana ?...handao antsika i Orione ? Nefa moa tsy toy ireny efa salezianina ireny izy teto !... ». Marina loatra izany, nafana fo sy nahazo vahana niavaka tokoa i Luigi nandritra ny telo taona niainany tao : taorian’ny fianarany ambaratonga faharoa anefa ; nandritra ny fiatahana masina nataony, taorian’ilay alina nolaniany tamin-dranomaso teo anilan’ny fasan’ilay Olomasina, no nanapahany hevitra hampiandry ny taratasy fangatahany sy ny hiverenany any an-tanànany… Fa inona re no tena tian’ny Tompo hataony e ?

 

TAO AMIN’NY SEMINERAN’I TORTONA

 

            « Monsenera , hoy ilay pretra mpitondra tao Pontecurone mantsy ny Eveka, te hiditra ao amin’ny Seminera ilay tovolahy efa nambarako anao imbetsaka nefa tsy mety hanao ny fangatahany an-tsoratra… Tsy maninona, ekeko tsy ilàna fangatahana », hoy ny Eveka namaly. Io no iray tamin’ireo famantarana nangatahan’i Luigi Orione tamin’Andriamanitra hahalalany raha sitrany ny hidirany any amin’ny Seminera ankoatr’ireo famantarana roa hafa dia ny hampahazoto bebe kokoa ny rainy amin’ny fiainana maha-kristianina ary ny hanolorana azy akanjon’ny mpiofana tsara didy sy refy na dia tsy noharana nialoha taminy aza… Tò araka ny fangatahany ireo rehetra ireo.

Ny alin’ny 16 Oktobra 1889 anefa, tsy nahita tory i Luigi Orione : rahampitso dia hisalotra ny fanamian’ny mpiofana izy saingy semban’ahiahy ihany ny hafaliany : toa maneho tsy fankasitrahana an’i Don Bosco ny tsy nanarahana ny diany… Nosintonin-tory tamin-dranomaso teo izy no toa tsaroany ny tenany teo amin’ny dongona kely iray tao an-tokotanin’ny Oratoara salezianina, nohodidinina lisy marobe : tampoka, hitany nisokatra ny lanitra dia indro tazany i Don Bosco niseho nitana fanamiana frera teny an-tanany : tamim-pitsikiana no nampisalorany izany azy …

Taitra i Luigi avy eo, ny maso mbola mando, nefa henika hafaliana tokoa izy satria azony antoka tanteraka tamin’izay fa faly i Don Bosco, ny amin’ny hanaovany seminarista sy pretra ao amin’ny diosezy nahaterahany ao Tortona. (Sary 9)

 

MANIRY NY HO MASIM-PIAINA

 

            « Aza atao mahagaga anareo izay ataon’i Orione !... Somary hafahafa izy nefa tsy dia izany loatra…Satriko aza hisy hafa toa azy koa… », hoy i Mompera Ambrogio Daffra, lehiben’ny toeram-piofanana, tamin’ireo mpiara-miasa aminy izay nahatsikaritra hatsaram-panahy tsy mba nananan’ny hafa tao amin’ity mpianatra avy any Pontecurone ity. Tsy isalasalana fa naniry fatratra tao am-pony ny hanamasim-piainana izy : mandray komonio isan’andro, na dia tsy fanaon’ny hafa aza izany ; mifady hanina ; manampy am-panetren-tena ny namany ; manaiky am-pitsikiana ireo esoeso fanaon’ny mpiara-miofana sasantsasany ; miezaka hamonjy fanahy sesehena miaraka amin’ireo namany nazoto ; vitany hatramin’ny nanao sonia tamin’ny alalan’ny ràny aza. Tsy mitandro hasasarana mianatra ; tsy mba mody akory aza mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra ary mofo kely sy lasopy no sakafo fihinany. Manoloana azy eo amin’ny biraony eo, misy karan-doha iray. Miteny momba ny Papa izy matetika, ny amin’i Masina Maria, ny amin’ny tokony hanasoavana ny tanora… Toa lahinjiro miredareda nohodidin’ireo namany akaiky azy indrindra izay efa nizarany andraikitra sahady tamin’izany, ho an’ilay toeram-panabeazana hosokafany hoe raha vao manana… ny hoenti-manana izy. « Luigi-n’i Jesoa sy Papa » no sonia fanaony tamin’izany.

 

MPIAMBINA NY KATEDRALY

 

            Olo-nahantra nefa izy ary zara raha nahaloa ny saram-piofanany tao amin’ny Seminera. Maty ny taona 1892 rahateo i Vittorio rainy… Ka inona ho hatao ? Ireo lehibeny no naniraka azy niambina ny Katedraly ka ny vola kely azony tamin’izany no nanefany ny saram-pianarana mbola notohiziny tao amin’ny Seminera. Hevitra telo loha no nibahana tao an-tsainy : ilay nofiny nohodidin’ireo ankizy maro misalotr’akanjo fotsy fony izy mbola kely tany amin’ny tranom-pitokana-monin’i Voghera ; ny fampianaran’i Don Bosco nampianatra azy hanolo-tena manontolo ho an’ny fanabeazana ireo tanora mahantra ; ary ny fampianaran’i Md Joseph Benoît Cottolengo mpanorina ny « Piccola Casa » tao Turin, nandrisika azy hitia ireo sahirana sy mpaniasia. Niavaka avy hatrany izy tamin’ny fitiavam-bavaka, ny fahanginany, ny fitiavany tamin-kamoram-po ireo namany, ny hamiramiranany sy ny fahavononan-kanompo tao aminy : modely tamin’izay rehetra hatramin’ny bitika indrindra amin’ny fiainan’ny seminarista, matetika no ahitana azy mifantoka amin’ny fandinihana masina, mitazona eny an-tànany ilay karan-doha nentiny avy tany Pontecurone.

            Indray alina, raha mbola teo anoloan’ny Tabernakla iny indrindra izy, dia injay toa reny ho nisy nikorotandrotana avy tamin’ireo dabiliom-piangonana : « Ataoko fa ny demony mihitsy izay… Nitodika tany amin’ilay niavin’ny kasaotsaoka aho dia niteny mafy hoe : Eny e, eny…manatona ety fa misy mahery noho ianao eto… hoy aho, sady notondroiko ny tabernakla. Niditra tao an’efitranoko aho. Nisy fotoana anefa aho nahatsipalotra tsilopin-kazavana nivezivezy tao am-piangonana : teo vao fantatro ka nahatonga ahy hiantso ireo mpiambina hafa… ». Hay moa ka mpangalatra no tao ary dia noraisim-potsiny avy eo. Tamin’ireo andro vitsivitsy mba namangiany ny reniny tany an-tanàna dia efa raikitra indray ny « Oratoara » niarahana tamin’ireo ankizy tao an-tanàna nentaniny tamin’ilay teny filamatra sy fandaharam-piainana hoe « Fanahy ! Fanahy ! ».

 Indreto ny tso-kevitra vitsivitsy notsongaina tamin’ny vavaka maharitra nataony : « Vangio ireo any amin’ny hôpitaly, ny gadra, ny voafonja, ireo mahantra marary – omeo mandrakariva ny mahantra : na vola na zavatra hafa - teny telo sy oroka iray raha kely indrindra… mampionona sy mankahery… ary raha tsy manana na inona na inona intsony ianao dia manatòna  ny pretra… Ampio hihamasim-piainana ny tanora : tolory zava-tsoa izy ireo, aza manafintohina azy fa meteza ho miran-dava miaraka aminy, tariho mandrakariva izy ireo mba havitribitrika lalandava, omeo boky… Aza manary na dia sombim-potoana aza… Ho an’i Jesoa no hanaovanao izany ary inona moa no tsy hatao raha mbola ho an’i Jesoa koa ? Aondreho ny maso ary mahereza ! Fa izany no hahamasina anao ! Fa hampaninona anao ny sisa rehetra raha tsy ho masina akory ianao ?

Ireo no  niorim-paka ho sori-dalam-piainany nanomboka hatreo ! Fa nianatra nitendry lokanga ihany koa izy, hany ka isaky avy miservy lamesa tany amin’ny fonja dia nitendry mba « hanodinana ny sain’ireo voafonja tsy hisain-dratsy ». Namonjy irony fivoriam-panasoavam-bahoaka irony izy ; namory sy nampianatra ny tanora ny amin’ny « scepticisme » sy ny amin’izay mifanohitra amin’ny lalàm-pitondran-tena mba ho mpitandro ny maha-olona “davanti a tre citrulli”.

 

ILAY ORATOARA FANAOVAM-PETIN’I MD LUIGI

 

            Nahoana ise no mitomany ?... Inona no ataon’ise eto ?.. .Nahoana ise no tsy mandeha mianatra katesizy any amin’ny Paroasy ?... - Nidongidongy kely teo ilay zaza, vao niteny hoe : « Nokapohan-drizareo aho !... Raha hendry kosa ise dia tsy ho nataon’olona inona e !... mandehana… miverena any amin’ny katesizy dia hendre tsara… Tsia ! tsy ho any aho !... - Tsy hitan’i Fr Orione izay ho lazaina … - Eny ary ! Fa izao ! ndao hiaraka amiko… homeko fanomezana tsara be ise  !... Farany, tongany tany an’efitranony ihany ilay zaza dia ilay efitra kely ary amin’ny tendrom-piangonana mifanila indrindra amin’ny lakolosy : nototofany vatomamy sy teny mamy teo ilay zaza vao nataony hoe - Miverena indray rahampitso… Hampianariko hamita enti-mody ise… dia mba mitondrà moa namana hafa e ! Hohitan’ise fa ho mpisakaiza tsara isika…

            Dia niverina tokoa ilay zaza narahin’ireo namany hafa. Nentin’i Luigi Orione teo an-tongotr’i Masina Maria Renin’ny toro-hevitra tsara tao am-piangonana aloha izy ireo vao nentiny tao amin’ilay efitra kely… Tsy ela dia nivadika trano fianarana sy filalaovana ilay lalantsara lehibe mankao…Natokany ho azy ireo ny fotoana rehetra mba nampahalalaka azy…Ny volana Avrily no nanokanany ireo andian’ankizy voalohany ho eo ambany fiarovan’i Jesoa Voafantsika tao amin’ny fiangonana mitondra izany anarany izany (sary 10) ; ary fatratra ny fanomanana sy ny fankalazan’izy rehetra ny volan’i Masina Maria ny volana Mey taorian’izay. Tsy misy tsy nahalala azy ireo tamin’izay i Tortona manontolo : tsy omby ireo ankizy intsony ilay efitra kelin’i Orione, ka dia teny ankalamanjana indray no nitondrany azy ireo ho eny an-tampon-kavoanan’ny Lapa.

            Matetika rahefa hiakatra eny iny ry zareo no mandalo anoloan’ny sarin’i Masina Maria, vita loko amin’ny rindrin-tranon’ny Lapan’i Bussetti : mijanona kely eo izy ary mitana azy ireo hiara-hivavaka kely. Taona maro taty aoriana, ny taona 1920  dia io Lapa io no nanjary « Institut Dante » ho an’ny Fikambanana : « Izao - hoy i Mompera Orione - no nanehoan’ny Tompo ny fankasitrahany ny fanehoam-panajana nataoko niaraka tamin’ireo tanora ho an’i Masina Maria tamin’izany fotoana izany. » (sary 11)

            Indray andro anefa : « Monsenera ô !...- hoy izy mantsy ny Eveka – mila toerana sahaza azy ireo tanora ireo. Manabataba ny ao am-piangonana izy ireo, hany ka voahelingelina ireo mpitoka-monina, ary sorena ny mpivavaka… ! - Homeko anao àry ny zaridainan’ny tranon’ny Eveka - hoy i Mgr Bandi namaly azy - Hataonay oratoaran’ny tanoran’i Tortona io !... – Tamin’ny fomba manetriketrika no nitokanana azy io ny 03 Jolay 1892, natrehin’ny Eveka mirahalahy sy ireo pretra ary mpitondra fivavahana ambony maro sy ireo seminarista ary ny fianakavian-dry Perosi. Akory ny firehidrehitry ny fon’i Frera Orione, izay vao 20 taona monja, raha nandaha-teny teo anoloan’ireo olo-manan-kaja sy ray aman-dreny ary tanora marobe ny amin’ilay fonja-kevitra maminy momba ny famonjena Fanahy : « Fanahy…Fanahy… ». Teraka teo ny Oratoara fanaovam-petin’i Md Louigi, ilay akany nipoiran’ny Fikambanana Asan’ny Fitondran’Andriamanitra taty aoriana.

            « Ny Oratoara no vaindohan-draharahantsika - hoy izy taty aoriana - io no sehatra itolomantsika. Ny Oratoara fanaovam-pety sy ny sekoly indrindra fa tsy ny any amin’ny Kolejy fotsiny no hahatanteraka ny famonjena ny tanora maneran-tany. Oratoara fanaovam-pety no niteraka ny Fikambanantsika !... »

 

AVELAO AHO HIJERY NY PAPA…

 

            Ny volana Oktobra taorian’izay, nahazo tapakila maimaim-poana ho any Roma avy amin’i Benôit rahalahiny mpiasan-dalamby izy. Akory ny hafaliany nahita maso ireo basillika kristianina lehibe sy izato hakanton’i Roma ilay « Tanàna mandrakizay »… Mofo sy vola kely foana no mba vatsiny tamin’izany. Nifankahalala tamin’ny andian-jatovo romanina tao amin’ny kihon-dalana mihazo ny kianjan’i Md Piera izy, ka nampanantena fa indray andro any dia hanao zavatra ho azy ireo … ary dia nomeny azy ireo avokoa ireo sary masina sy meday tany aminy hany ka tsy nanana na inona na inona intsony izy…

            Nisy karazan-johy  iray tsy lavitra ny kianjan’i Md Piera, ary dia voatery natory tao izy. Indray alina anefa, indro tovolahy iray no namoha azy  :  - Nahoana ianao no eto ?...Avia, ’ndao hanaraka ahy… - hoy io taminy - aza mijanona eto amin’ny mangatsiaka eto… -  Dia nentin’io tao amin’ny tranokely iray  amin’ny Araben’ny Misiona izy… Vaviantitra iray izay no nampiantrano azy tao sy nanome hanina azy tamin’ny andro sisa nijanonany tany…(sary 12). Mba iza àry izy mianaka ireny ? - Imbetsaka no nitady azy ireo i Mompera Orione taty aoriana saingy tsy nahita mihitsy. Angamba, hoy ny eritreriny, i Masina Maria sy ny Anjely mpiambina ahy fiantsoantsoko matetika tamin’ireny fotoana ireny izy mianaka ireo !

            Tsy mba afaka nahita ny Papa anefa i Fr. Orione tamin’izay ka nalahelo ery -Avelao aho mba hahita ny Papa - hoy izy nisisika mafy - ampy ahy ny hahatazana azy na dia lavitra aza… - Tsy misy hevitra !... -  Fa tsy mba miseho vahoaka toa ny ankehitriny manko ny Papa tamin’izany.

 

NANOFY ARON’AKANJO MANGA

 

            Fo tsy niova fa feno fitiavana ny Papa sy ny Fiangonana no nentin’i Luigi niverina tao Tortona ary ambentin-dresany etsy sy eroa ombieny ombieny izany… Nisy foana ny olona tsy te-handre azy ny amin’izany… Indray andro anefa, sahiny ny nanonona ny anaran’ny mpitondra Vittorio Emanuele II, nandritra ny famelabelaran-kevitra nataony, sy niteny am-pahibemaso ny marina tsy sahin’olona nambara hatramin’izay…Tsy ela dia nisy nitory azy tany amin’ny Eveka, ka nanondro ireo tanorany ho mpanelingelina olona, mpamaky fitaratra, mpankorontan-javatra : ka tsara raha sakanana ny ataon’i Fr Orione… Nahalala tsara ity Seminaristany nefa i Mgr Bandi saingy mailo ka dia nanapa-kevitra hanakatona ilay Oratoara na dia ho andro vitsivtsy ihany aza. Vaky ny fon’i Orione nefa dia nanaiky izy ka indro nametraka ny fanalahidin’ny trano teo an-tanan’ilay sarivongan’i Masina Maria teo an-tokontany.

            Niakatra tany an’efi-tranony izy avy eo ka rafitra nitomany teo am-pitazanana avy eo am-baravarankeliny ny Oratoara… Farany dia resin-tory teo izy ka zary nahita  tao anaty nofy, ankizy marobe teo anoloany avy tamin’ny firenena samihafa, niaraka tamin’ny pretra sy relijiozy vavy. Eo ambonin’izy ireo kosa, indro vehivavy iray tsara tarehy aok’izany, mitsiky, mitrotro zaza, misalotra sarotro manga mivelatra dia mivelatra maharakotra hatramin’ny fara-vodilanitra ; indro ilay vehivavy miantsa ny « Ny foko midera ny Tompontsika… » ; ireo ankizy marobe avy amin’ny foko maro samy hafa kosa miara-mihira mamaly azy… Nisinda tery ny alahelon’i Luigi Orione nony taitra avy eo izy : iny nofy iny no fanambaràna mialoha ho azy fa hanampy azy hatrany i Masina Maria amin’ny ho avy, ary izy kosa dia ho tonga rain’ny Misionera marobe ho any amin’ny firenen-tsamihafa maneran-tany. (sary 13)

 

ILAY KOLEJY KELIN’EFAJATO LIRA

 

  • Ahoana anefa no hifanarahantsika ny amin’ny fandoavana ny vola ? – hoy ingahy Stassano nanontany no sady namaly indray hoe – Izao no ‘ndeha hatao : raha afaka mandoa 400 Lira amiko ato anatin’ny herinandro ianao dia efa anao mandritra ny taona iray ny trano… - Hafalian-tsy hahombiazana ny an’i Luigi Orione… Azony an-tsaina sahady ny ho firoborobon’ilay Kolejy hipoka ankizy…Indro izy niolomay nankany am-piangonana…Nifanena tamin’ny ramatoa efa zokinjokiny iray anefa izy teo amin’ny tetezan’i Ossone : i Angiolina Poggi, izay nifankahalala tsara taminy sy nanontany azy hoe (sary 14) : « Inona no ataonao aty ?... - hanokatra Kolejy iray eto San Bernardino aho, ao amin’ingahy Stassano… - Ka raha mba raisonao ao ny zana-drahavaviko ? amin’izay dia ho eo akaikiko mandrakariva izy !... - Eny tokoa !... - Ka ohatrinona no ilainao ?... - Dia izay omeonao ahy !... - Mandritra ny fianarany ambaratonga faharoa manontolo anie ?... - Eny e !... - Manaraha ahy àry ianao… dia noloaran’ilay ramatoa avy tao amin’ny zoro miafin’ny rindrin-tranony ny tahiry keliny : 400 Lira ireto - hoy izy - mety ho ampy ho amin’izany ve ? »

            Toy ny tsy teto an-tany i Luigi Orione : andro fetin’i Masina Maria io andro io : 15 Septambra 1893. Velom-pisaorana azy izy ; nandeha nanatitra ilay vola tany amin’ingahy Stassano dia nihazakazaka nankany amin’ny Katedraly. Indro ny Eveka izay vao avy nampitady azy indrindra : - Esoriko aminao ny fanekeko ny hanokafanao Kolejy…, hoy izy avy hatrany, Tsy maintsy hitera-pahasahirana ho ahy io aoriana kely ao… - Nefa anie, Monsenera, dia efa voaloako ny hofan-trano e !... -hoy i Orione somary niondrika. Dia notantarainy azy ny zava-niseho. -  Ka raha izany dia haveriko aminao indray ny tso-dranoko… hoy i Mgr Bandi feno toky namarana ny resaka.

            Ny 15 Oktobra 1893 dia ankizy 40 no noraisina tao amin’ilay Kolejy kelin’i Md Louigi tao amin’ny tanànan’i San Bernardino ao Tortona : nisy tamin’ireo no mba naniry hiofana ho pretra nefa tsy hahazaka ny saram-piofanana any amin’ny Seminera : ankehitriny, eo ambany fiahian’ny Fitondran’Andriamanitra izy ireo… Fianakaviana kely iray dibo-kafaliana sy hetsaky ny fiainana no teraka teto.

            Indray andro, indreo ireo tanorany, nanao filaharam-be avy tany an-tanàna, avy tao amin’ny toeram-ponenan’ireo Oblats, nilanja ny sarivongan’i Masina Maria be alatelo, mba ho fanomezana ho an’i Fr Orione, ho mpiaro ireo mpianany. Nisy sabatra iray nitsatoka tamin’ny fon’io sarivongan’i Masina Maria io nefa dia notsoahin’ireo ankizy sy nodorany : - Tsy ekenay, hoy izy ireo, ny hampalahelo an’i Masina Maria. Tsy hitondra afa-tsy fanalana alahelo ho azy izahay… - Tsy ho reny be alahelo intsony izy hatreto : hatramin’izao dia ilay Mpanjakavavin’ny Fitondran’Andriamanitra no hiantsoana azy. Izy no ilay reny any an-danitra sy mpiahy ny Fikambanana ho teraka tsy ho ela (sary 15).

 

INSTITUT « SANTA CHIARA », ILAY FRERA MPITORY TENY

 

            Ny taona nanaraka 1894 dia tsy ampy ho an’ny ankizy intsony ny kolejy tao San Bernardino, ka voatery nitady toerana hafa malala-dalaka kokoa i Orione, ary dia nahita iray tany an-tanàn-dehibe, tao amin’ny toeram-pitoka-monin-drelijiozy taloha iray izay efa nampiasaina ho toby ihany koa : trano « Santa Chiara » (« Mb Claire ») no niantsoana azy. Nitombo isa hatrany ny ankizy ary niara-nitombo tamin’izay koa ny fahasahiranana… Niharihary kosa anefa fa nomba sy nanampy ity mpanorina tanora ity sy ny asany ny Fitondran’Andriamanitra, izay nakany ny anaran’ny Fikambanana rahateo tato aoriana.

            Ny volana Jiona io taona 1894 io ihany, raha nahatsapa ny fahombiazan’ny fanombohan’i Orione i Mgr Bandi dia nanondro azy, teo imason’ireo pretra nivory, ho « i Don Bosco faharoa » ka nanome alalana manokana azy hitory teny manerana ireo fiangonana ao amin’ny dioseziny. Ireto no lohahevitra maminy tamin’izany : ny Fiangonana, ny Papa, ny fanahy mila vonjy, ny gazety, ny famakiam-boky mandehandeha manatona vahoaka, ny vaki-boky ho an’ny ankizy, ny fanabeazana sy fanofanana tanora, ny asam-pitiava-namana… Nifandroritana ny handray azy ary tamin’ireny no namafazany ny voa sy ny otrik’asa katolika mavitrika… Izany anefa dia tsy nanaovany antsirambina ny adidy maha-mpanorina sy mpiandraikitra voalohany azy. Mivavaka ary miasa amin-kerim-po tsy mahalala sasatra.

 

NY FANAMASINANA HO PRETRA

 

            Tamin’ny 13 Avrily 1895 no nohamasinina ho pretra i Don Orione. Fety anie izany ho azy sy ireo tanorany e ! Nandany ny alina nialoha teo an-doha fandrianan’i Mompera André, Vikeran’ny Diosezy, izay vao nodimandry izy ; nijanona irery nanoloana ity nofo mangatsiaka, kanjo dia resin-torin’ny harerahana teo amorom-parafaran’ny maty. Teo izy no hitan’ny olona izay tonga maraim-be, niantso azy hiomana amin’ny fotoam-pivavahana hanamasinana azy. Nandritra ny sorona masina voalohany natolony no nangatahany tamin’ny Tompo fahasoavana telo ho an’izay rehetra hanara-dia azy any aoriana : « mofo, fiadanana, paradisa » ary ny famonjena mandrakizay kosa ho an’izay rehetra azy sy ny Fikambanany, na amin’ny fomba ahoana na ahoana.

            « Arovy aho, Tompo – hoy izy nanoratra – mba tsy hamita-tena sy tsy ho latsaka amin’ny fitaky ny demony ka hihevitra fa ny hiahy ireo izay manatona ny Fiangonana sy ny Sakramenta, dia ireo mpino sy vehivavy tia vavaka ihany no adidy maha-Pretra ahy. Eny, hahomby sy hahafinaritra angamba amin’izany ny asa hanirahana ahy, nefa dia tsy ho haiko ny hovelona anatin’izany toe-panahim-pitiavana apostolika izany rahefa  handeha hanatona ireo ondry nania, araka ny fanilovan’ny Evanjely manontolo ».

 

NANKININY TAMIN’I MASINA MARIA NY ZAVATRA REHETRA

 

                 Nihanta ny fanampian’i Masina Maria mandrakariva izy ary nitaona ny maro hanao toy izany koa. Nitalaho tamin’i Masina Maria ny hahazo mpiara-miasa izy ary dia ny Eveka no indro nanome azy ; isan’ireny ohatra, i Fr Carlo Sterpi, izay tonga mpiara-miasa taminy nandritra ny 50 taona, ary lasa mpandimby azy voalohany aza,  tena « fanomezan’i Masina Maria » marina tokoa. (sary 16) Raha sendra nitambesaran-trosa izy dia taminy no niantso vonjy ; tamim-pitokiana tokoa no nametahany ireo kavin’i Neny Carolina teo amin’ny sofin’ny sarin’i Masina Marian’ny Fitondran’Andriamanitra izay nasiana lavaka kely mihitsy aza… mba handre azy hoe, ary dia tonga tokoa ny vola fanampiana ! (sary 17)  Nitarika ireo tanora mpianany tamin’ny fivahinianana masina teny an-tampon-kavoanan’i Spineto ihany koa izy, ka indro izy sady mihanika ilay havoana, amin’izato kitapo feno mofo eny an-tsorony, no miventy ny « Arahaba, ry Maria ». Indray andro koa, mbola teny an-tampon-kavoanan’i Spineto ihany, raha mbola nisakafo iny ny maro, izy kosa, ho mari-pibebahana, dia niangavy ny iray tamin’ireo tanorany hamatotra ny tendano, ka hitarika azy hatreny an-tampon’ilay havoana, ary nahita izany avokoa ireo mpivahiny masina…(sary 18)

 

ILAY NANAPOIZINA NY RENINY

 

            Hita ho nanam-pahasoavana manokana i Mompera Orione rahefa mitory teny : hainy ny mitaona fanahin’olona hanatona ny Sakramenta ka hibebaka. Tsy vitsy ireo pretra mpitondra paroasy no miantso azy, ary maro ihany koa ireo olona midodododo manatona azy.

Imbetsaka no nitrangan-javatra hafakely teo amin’ny fiainany.

Indray alina, nandeha an-tongotra, niverina hody ao Tortona izy, rahefa avy nitoriteny nandritra ny hasivian’andro fanomanana ny fetin’i Masina Maria tsy azon-keloka tamina tanàna iray tsy dia lavitra teo. Rakotra ranomandry ny tany. Tampoka, nahatazana alok’olona iray manatona azy izy : azon-tahotra vetivety izy nefa dia ny sapileny no nohazoniny mafy teny an-tanany. - Ianao ve ilay nitory teny ny takariva teo ? - hoy ity lehilahy iray amin’izato maso miahiahy.  - Eny !... - Tsaroanao ve izay nambaranao tamin’izany ?... Ianao nilaza hoe na ny olona nahavita nandraraka poizina tao anaty lovian-dreniny aza dia mety ho voavela heloka !... - Eny, tsaroako tokoa !... - dia tena mino izay voalazanao ve ianao ? Dia marina koa ve fa mety hahazo famelan-keloka na dia izay nahafaty ny reniny aza ?... - Eny marina tokoa… Ampy rahefa manenina marina tokoa izy… - Raha izany àry, hoy ilay lehilahy namarana ny resaka, dia izaho mihitsy io olona noresahanao io !... Nopoiziniko ny reniko… Mamindrà fo amiko fa tsy tantiko intsony ny ho velona toy izao…

            Sady nandohalika tanaty ranomandry ilay lehilahy no namboraka ny rakitry ny feon’ny fieritreretany tamin’ilay mpisorona : nitsangana izy avy eo, nitomanin-kafaliana, namihina azy mafy toy ireny tsy ho afaka hisaraka ireny intsony ka na i Mompera Orione aza… latsa-dranomaso koa. (sary 19)

 

INDRAY MANDINGANA AVY EO AMIN’NY TRANO FILANONANA NY FASANA

 

            Trangan-javatra indray mandeha ihany koa, nitory teny ho an’ny fetin’i Masina Maria be alahelo izy… « Raha namakivaky ny tanànanareo aho - hoy izy tamin-kafanam-po nitana karandohan’olona teny an-tanany teo amin’ny toerana fitoriany teny tao anaty fahanginana lalina - dia nahita ny fanomanana lampihazo handihizana… Fantatrareo tsara fa voararan’ny Eveka izany. Tsikaritro koa anefa fa tsy lavitra ny lampihazo eo no misy ny fasam-bahiny. Tsarovy tsara àry fa indray mandingana fotsiny no manelanelana ny fandihizana sy ny fasana !... Avereno miaraka amiko izay voalazako izay… Dia niara-namerina ny rehetra. Nahatsiaro ho hafahafa ny tovovavy iray vao 19 taona tamin’ny faran’ny fandihizana, ary dia maty, andro vitsivitsy taorian’izay… Nandalo indrindra ilay lampihazo izay mbola tsy noravana akory ireo mpandevina… (sary 20)

 

SORI-DALAM-PAHAMASINANA

 

            Nandritra ny fampiasam-panahy nataony ny taona 1897 no nanoritsoritan’i Mompera Orione ny sori-dalam-piainany : andininy 30 tsotra nefa mafonja momba ny fiainam-panahy anaty, ny fiombonana amin’Andriamanitra, ny famolahan-tena, ny fitiava-namana, ny asa. Indreto ny sasany tamin’izany : « Ry Jesoa Tompo, fiainam-baovao no santariko anio toy ny hoe Batemy faharoa. Mampanantena ny hanao izay rehetra mety hahamasina ahy aho ary hametraka ny zavatra rehetra eo am-pelatanan’i Jesoa. Maniry mafy ny hibebaka ny amin’ireo fahotako aho ary hitia ny Tompo amin’ny fo sy ny asa ka vonona ho faty ao amin’ny afom-pitiavany. Raha avelan’ny mpampikonfesy ahy dia mofo sy rano ary lasopy ihany no hivelomako. Hikonfesy isan’andro raha azo atao, ary isaky ny telo andro raha ela indrindra. Any amin’izay hany afaka hanampy ahy ho masina aho no hikonfesy. Hamehy tena aho ary hitafy akanjo malailay. Ho vitsy teny aho fa ho maro vavaka kosa ary hiasa mafy ka tsy hitsahatra raha tsy lavon’ny harerahana eo am-pofoan’i Jesoa ny hariva, dia Izy ilay hatsaràna sy hafenoana ho ahy. »

            Mihinana izy rahefa mba afaka, tsy dia matory loatra, izany indray aza dia tena tsizarizary ny fandriana ; hatramin’ny hoe matory any am-pahitr’omby mba hahafahan’ny mahantra matory amin’ny fandriany. Akanjo malailay no nanolo-koditra azy. Nohamafisiny ireo karazam-pampijalian-tena henjana ; mampanidy tena ao amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly ary amin’ny vanim-potoanan’ny fitorian-teny aza dia mahavatra matory mitampify amin’ny rindrin’ny fasam-bahiny. Izany no nataony dia ny fahatsapany fa mila fahasoavana be dia be izy hoenti-miasa sy mitoriteny.

 

FAHATERAHAN’NY « ASAN’NY FITONDRAN’ANDRIAMANITRA »

 

            Tamin’izany fotoana izany no efa nanomboka tsikelikely nifanatona sy nifamory niaraka tamin’ i Mompera Orione ireo lohandohan’ny mafana fo, tapa-kevitra ny hiaraka aminy hatrany hifampizara ny fisasarana sy ny tanjom-piainany. Rahefa nahazo ny fankatoavan’ny Eveka dia nirafitra avy hatrany ho fikambanan-drelijiozy niombom-piainana sy fifampifehezana ary voady. Tsy iza ireo fa ireo Pretra sy mpiofana resy lahatra ny amin’ny fahamasinam-piainan’ity olona tiany sy nankatoaviny ho Ray sy Lehibe na dia mbola tanora tokoa aza. Ny miasa mafy ho fanasoavana ireo fara-idiny no hikatrohany ; zotom-po hivavaka, fahatokisana ny Fitondran’Andriamanitra, tsy fivadihana amin’ny fampianaran’ny Fiangonana ary ny fanajana ny manam-pahefana :  ireo no sori-dàlan’ilay aim-panahy vaovao vao mitsiry, nefa dia efa mahazo faka sy mirehidrehitra ao amin’ity fiara-miaina ity. Filamatra telo dia ny hoe : « Fanahy, Fanahy » ; « i Jesoa, ny Papa, ireo Fanahy, i Masina Maria » ary ny « Instaurare omnia in Christo » (« Manorina ny zavatra rehetra ao amin’i Kristy »), izany hoe ny hahatonga an’i Kristy ho ivon’izao tontolo izao : ireo no mamintina ny tanjom-piainan’izy ireo nanombokatamin’io fotoana io.

 

IREO MPITOKA-MONIN’NY FITONDRAN’ANDRIAMANITRA

 

            Noezahiny ny nankahery ireo pretrany sy frerany, nomban’ireo mpanampy efa am-perin’asa sy any anivon’ireo fanahy vontom-bavaka, tamin’ny fanao sy ny toe-tsain’ireo mpitoka-monina fahiny nametraka ho filamatra ny hoe « Ora et Labora : Vavaka sy Asa ». Naparitany tany amin’ireo trano fitokana-monina fahiny efa ravarava izy ireo ; tany amin’ireo toeram-pambolena, tao anaty fanetren-tena ombam-bavaka sy asa tànana. Ny 30 Jolay 1899, tao amin’ny eglizy fanajana manokana ny Fo masin’i Jesoa tao Stazzano, teo anatrehan’i Mgr Bandi, no nampisaloran’i Mompera Orione ny akanjom-pibebahana ireo mpitoka-monina telo voalohan’ny Fitondran’Andriamanitra.

 

SICILIA :  MPIARA-DALANA AMIN’NY PAPA

 

            Ny 15 Aogositra 1898 no namoahany ny laharana voalohany tamin’ireo takelam-pifandraisan’ny “Institut”, nomeny ny lohateny hoe « Ny Asan’ny Fitondran’Andriamanitra ». Nisy nipaka hatrany Sicilia (atsimon’i Italia) ireny takelaka ireny ka nahatonga an’i Mgr Blandini, Evekan’i Noto, hiantso haingana an’ii Mompera Orione sy ireo mpanara-dia azy, hanokatra toeram-pitokana-monina sy toeram-pambolena ho an’ireo mpitoka-monina. Io no voalohany nivoahan’ny Fikambanana tany ivelan’i Tortona, rahefa nahazo ny fankatoavan’ny Eveka.

            Ny 18 Jiona 1899 no nanoritsoritan’i Mompera Orione ny fandaharan’asan’ny vondrona “Mpiara-dalana amin’ny Papa”, nofinofiny hatry ny naha frera azy fahiny, ka nanambaràny fa raha ialina, ho fiarovana ny Papa, dia vonona ny mpikambana ao hamoy ny ainy : « Te-hanangana vondron-tafiky ny Papa aho - hoy izy nanoratra. Hatsaran-toetra dimy no takiana amin’izy ireo : ho mpiasa fanirakirak’Andriamanitra sy ny Fiangonana, vonona mandrakariva amin’ny fotoana rehetra - tsy  hitady harena ary tsy hikatsaka afa-ts’i Jesoa sy ireo fanahy hovonjena - ho fatra-pivavaka sy ho mpankamamy fahantrana - hanohana ny fahalalahan’ny Papa – hitolona amin’ny fomba madio rehetra, hatramin’izay moderna indrindra, ho fanamafisana orina ny finoana sy ny  fiainam-bahoaka katolika… »

 

                 Vanim-potoana sarotra no nodiavina. Nifanatona mba hanohitra ny Fiangonan’i Jesoa ireo « Franc-maçons » sy ireo mpanohana ny tsangan-kevitra sosialista. Mpifahavalo roa samy milofo hametraka ny ho avin’ny zanak’olombelona izy ireo, nefa dia nahavatra nifanatona mba hiara-hanohitra ny fahambonian’i Kristy mpisorona sy ny Fiangonana kristianina. Naka toerana avy hatrany tao anatin’izany ady izany i Mompera Orione : tsotra sy hentitra, manaja lalàna, tsy azo hozongozonina eo anilan’ny Papa.

            Teo anilan’ny Papa rahateo, tamin’ny 1901, no nahatanteraka ny faniriany hatry ny ela dia ny niasa, notronin’ireo kamboty sy ireo mpitoka-moniny tao amin’ny toeram-pambolena « Masina Maria » tao Monte Mario sy tao amin’ny tanànan’ny Papa tao Bagnorea (Orvieto), niasa ka nahafahan’i Italia tamin’izany fotoana izany, izay nialoha ny firoboroboan’ny indostria indrindra, naha-antoka ny filàna ara-tsakafo tao an-toerana.

 

VONDROM-BEHIVAVIN’NY FITONDRAN’ANDRIAMANITRA   

 

            Ny volana Septambra 1899 no nanangonan’i Mompera Orione ireo vondrom-behivavin’ny Fitondran’Andriamanitra voalohany  : « Fikambanana nanampy anay hanasoa zaza maro - araka ny nosoratany. Tao no navondron’ny toe-tsaim-pitiavana sy fahafoizana ary fanoloran-tena ireo fanahy maro samy tia an’Andriamanitra marina. Na ireo renim-pianakaviana omban-janaka vavy aza dia afa-miditra ao avokoa. Isan’ny mpanampy ihany koa, araka izay hitarihan’Andriamanitra azy, izy ireny ».

            Tamin’ny 21 Marsa 1903, andro fetin’i Md Benôit  dia nankatoavin’i Mgr Bandi tao amin’ny dioseziny araka ny lalàn’ny Fiangonana ny Asa natombok’i Mompera Orione. Indreto misy an-dàlana vitsivitsy notsongaina tamin’izany fankatovana izany : « Vaindohan-draharahan’ny « Asan’ny Fitondran’Andriamanitra » ny hampiray fo sy saina ny vahoaka krsitianina amin’ny fiketrahana apostolika itoeran’ilay mpanompo sambatra dimbin’i Piera, velona sy mitondra ary manolotra ny « fahamarinam-pinoana » amin’izay rehetra mila izany. Amin’ny alalan’ny asam-pibebahana, indrindra amin’ny alalan’ny fanabeazana sy fitaizana ny ankizy ho amin’ny finoana katolika, omban’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’ireo mahantra, sy ny asam-piantrana ho an’ireo sahirana, no hahatratraran’ny Fikambanana izany tanjona izany… ». Ao amin’izany foibe Apostolika izany no velona ny olon-tsambatra Piera, izay mitarika ary miahy ireo izay maniry ny fahamarinan’ny finoana »

            Azo saintsainina ihany ny hoe Mompera Orione tsy manana sekoly, trano fitaizana zaza kamboty, hatramin’ny hoe tafa-saraka ireo mahantrany aza. Saingy tsy ho azo heverina mihitsy kosa izany hoe Mompera Orione tsy manana fitiavana ny Fiangonana sy ny Papa izany, satria ireo no nanefy ny maha-pretra sy mpanorina azy. Antom-pisiany, anton’asany,  tanjaka sy tanjona ho azy mihitsy manko io fitiavana ny Fiangonana sy ny Papa io. Fitaovana sy fomba hana-tratrarana tanjona fotsiny ny asam-pibebahana sy fiantrana amin’ny endrika samihafa ; ny asam-pitiavana kosa no lalan-tokana hany mitondra izay rehetra mila sy migoka fitiavana ho amin’ny fitiavana ny Papa, solontenan’i Kristy. « Miaina, miasa, mahafoy aina ho an’ny Papa - hoy i Mompera Orione nanoratra taty aoriana – izay, ary izay ihany ny ASA KELIN’NY FITONDRAN’ANDRIAMANITRA !...... »

 

NY TRANON’NY FITONDRAN’ANDRIAMANITRA

 

              Ny taona 1904 dia voatery handao ny trano « Santa Chiara » i Mompera Orione satria tsy nohavaozin’ny Commune tao Tortona intsony ilay fifanaraham-panofana folo taona io trano io. Ho aiza àry ? Nandini-dinika ilay tranon-dry zareo Oblats an’ny Eveka teo izy … trano amidy. Noraisiny ny sarivongan’i Masina Maria dia nentiny nalevina tao an-jaridainan’ilay trano, ary narahany vavaka hoe : Ataovy izay hahazoako ity trano ity ho an’ireo tanorako, dia hataoko eo ambany fiahianao ny trano…

            Natolotra azy tokoa àry ny trano, ary dia napetrany ho eo ambany fiarovan’i Masina Marian’ny Fitondran’Andriamanitra… Nila vola 26.000 Lira anefa izy hanefana ny vidiny sy ny saram-panamboarana : nisento i Mompera Orione ary feno tahotra sy fanahiana ny fatiantoky ny Fikambanana ny maro… Tamin’izay anefa no nisy olona roa mpanao soa nanome azy io vola nilainy io, saingy talohan’ny nanolorany ireo vola ireo ny Eveka dia nisy hevitra tonga tao an-dohany : nalahany nihodidina ilay sari-fitaratr’i Masina Maria Renin’ny toro-hevitra tsara ireo ravim-bola arivo Lira 26. Napetrany teo anelanelan’ny andrin-trano mbola an-dalam-panamboarana ilay sary, ary dia nasainy mba hijery izany ireo izay nihevitra fa mizotra mankamin’ny fantiantoka ny hevitr’ i Mompera Orione nanaiky handray ilay trano. Taorian’izany dia nifety niaraka tamin’ireo tanorany izy ho fisaorana an’i « Masina Marian’ny ravim-bola 1000 Lira… » (sary 22)

 

ROMA : SAKAIZAN’ NY PAPA PIO X

 

            Efa zary mahalala an’ i Mompera Orione hatrany Roma ankehitriny : hipoka kamboty ilay toeram-panarenana « Masina Maria » an-tampon’ny Monte Mario, ary hatramin’ny taona 1904 dia ireo pretrany no notendrena ho mpiandraikitra ny Fiangonan’i Mb Anna tao Vatikana.

            Efa tamin’ ny 10 Janoary 1902 no nampamakiany ny Papa Léon XIII mialoha ny soritsoritry fandaharan’asam-pikambanany, saingy tato aoriana, ny volana Desambra 1906 kosa vao nanatona ny Papa Pio X izy, haneho aminy ny fitsipika raikitra. Tamin’izay koa no nangatahany ny handefasana ireo relijioziny ho misionera any Brésil. Nitsiky ny Papa Pio X raha namaly azy : - Izaho no handefa anao, saingy any Patagonia… - Ray masina ô ! hoy i Mompera Orione, efa any amin’io tanin’ny afo io ireo zanak’i Don  Bosco… - Tsia, tsia ! hoy indray ny Papa namaly , eto Roma ihany dia efa misy Patagonia ao ambadiky ny vavahadin’i Md Joany ; fa maro no tokony hatao ao : katesizy, sakramentan’ny mariazy, fiangonana…satria dia tsy mba mahita pretra mihitsy izy ireo.

 

            Ny 25 Marsa 1908, fetin’ny « Filazàna » : vonona ny fanombohan’ny zavatra rehetra. Tranon-tsoavaly iray no nodiovin’ i Mompera Orione dia napetrany teo ambonin’ny Otely kely ny sarivongan’i Masina Maria. Ahoana anefa no hiantsoana ny olona ? Naka lakolosy kely iray izy, nofenoiny vatomamy ny paosiny dia indro izy nitety tanàna nandalo trano maro : nanaraka azy avokoa ny ankizy, mitsimpona ireo vatomamy nafafiny, ary dia nanatona ihany koa ny olon-dehibe, na dia noho ny fahalianana fotsiny ihany aza ary teo no nanombohany ny misiona sy ny fitoriana… Dia toy izany no nahaterahan’ny Paroasin’ny « Olomasina rehetra » ao amin’ny faritr’i Appio ao Roma. (sary 23)

 

HOROHORON-TANY TAO CALABRO-SICULO

 

            Ny marainan’ny 28 Desambra 1908 dia rotiky ny horohoron-tany ny faritr’i Reggio Calabria sy Messina. An’arivony ireo namoy ny ainy nefa, dia mbola nanampy trotraka ny loza koa ny haitrano, tondra-drano narahan’oram-baventy sy ny hatsiaka. Isan’ny voalohany nahalala ny fahavoazana avy tamin’ny gazety i Mompera Orione. Nanao ahoana izay ireo tanorany any Noto ? Niainga avy hatrany hihazo ny toerana niharam-boina izy.Lavitra sy nandreraka ny lalana. Tonga tao Reggio Calabria izy, nanolotra sorona masina ary dia rafitra niasa avy hatrany avy eo. Nankininy tamin’i Mgr Pietro La Fontaine Evekan’i Cassano Ionio ireo andian-jaza kamboty voalohany voaangony.

 

            Andro vitsivtsy indray izao no efa nahatongavany tao Messina, ivon’ilay horohoron-tany : nahatsiravina sy nampihetsi-po ny zava-nisy natrehi-maso.

            Nanomboka ny fivezivezena nitateran’olona tao an-tanàna. Taty aoriana dia nikonfeseny ho fahaverezan-taona vitsivitsy teo amin’ny fiainany ny volana vitsivitsy nitoerany tany. Feno lasaka be paosy ny tanany, mbola mamakivaky hatrany ireo korontana mbola misy forohana maimbo afo, anivon’ireo olona toa zary moana sy romotry ny alahelo. Miantsoantso izy, mizara mofo sy aviavy nalainy tao amin’ny fitoeran’entan’ny toby miaramila rava ; manome tànana ireo mpanadio ny korontana ; mankahery ireo miala aina ary mandevina ny maty. Nitoetra tao anaty vagaon-damasinina tavela tamin’ny zotran-dàlamby iray  efa tsy miasa intsony izay izy : tao izy no nitantana ny asam-pamonjena, nitsinjara sy nandamina asa. Nony tonga ireo iraky ny Papa Pio X dia gaga nahita an’ i Mompera Orione efa tonga tany sy efa am-perin’asa hatramin’ny fotoana ela. (sary 24)

 

TELO TAONA TAO SICILIA

 

             Na dia safotry ny asa be toy izany aza anefa izy dia teo anivon’ireo tanorany tao amin’ny sekoliny hatrany kosa ny fony ; nanoratra ho azy ireo hatramin’ny misasakalina izy ary tsy nitsahatra nihanta an’i Masina Maria izy mba hiaro azy ireo. Indray andro, teny ambony fiara handeha hivahiny izy no resin-tory ka nanonofy : hitany voahodidin-javatra telozoro maro be ilay sari-fitaratr’i Masina Maria Renin’ny torohevitra tsara, tao amin’ny lasapelin’ny iray amin’ireo trano fanabeazany ao Tortona. Tampoka teo, niendaka ny sisin’ilay sary ka nianjera nanorotoro maromaro tamin’ireo telozoro. Gagagaga izy nony tafafoha avy eo : taty aoriana vao fantany fa nisy tamin’ireo tanora notaizainy no ratsiratsy fitondran-tena ka tsy tian’i Masina Maria hotazonina tao an-trano fanabeazana intsony… (sary 25)

            Ho fankatoavana ny Papa Pio X no nijanonan’i Mompera Orione telo taona tany Messina mba ho Vikera Jeneralin’i Mgr D’Arrigo, arseveka. Nahatsiaro ho nalahelo sy serana ihany anefa izy tamin’izany. Nankahery sy nankasitraka azy hatrany anefa ny Papa Pio X izay nahatsapa ny fahavonony hanolo-tena mandrakariva : « Martiry izy iny, martiry tokoa !... », hoy ity Papa ity raha misy miresaka momba azy. Taoriana kelin’izay, ny volana Marsa 1912 dia nandao an’i Sicilia i Mompera Orione ka tonga tao amin’ny Papa, ary dia nangataka taminy ny hanolorany ny voady mandrakizay eo an-tanany.  Tia loatra sy te-hanasoa azy ny Papa Pio X, ka nanaiky nefa dia tsy ampy ny vavolombelona roa ilaina amin’izany teo : «  Vavolombelona ve - hoy ny Papa nitsiky taminy - ny anjely mpiambina ahy sy ny anao no hisolo izany… ». Dia toy izany no nanavaozan’ i Mompera Orione ny fanoloran-tenany tamin-kalalahana hiasa ho an’Andriamanitra, ho an’i Masina Maria, ho an’ny Papa ary ho famonjena Fanahy… (sary 26)

 

FIANTSOAN’ANDRIAMANITRA  SY FANIRAHANA

 

            Nigadona àry ny fotoana tsy maintsy nampiasa saina an’ i Mompera Orione ny amin’ny ho avy : nanomboka nanentana ny fiantsoan’Andriamanitra ireo tanorany tao amin’ny Institut mba manam-paniriana ho pretra izy, ary nanomana sahady ny fanirahana Misionera any ivelan’Italia, indrindra ny ho any Amerika atsimo. Niroborobo fatratra ny asa natomboka : Tortona, Noto, San Remo, Cuneo, Roma, Reggio Calabria, Messina, Bra… samy nanokatra toeram-piofanana momba ny asa, toeram-pambolena, trano fanofanana ireo izay hiasa ho an’ny Fikambanana : satria mila sandry tanora betsaka… «  Aoka tsy hisy afa-ts’izay tena ilaina ihany ao aminareo mba tsy hijaly noana sy mamirifirin’ny hatsiaka fotsiny - hoy izy nanoratra… Mahaiza miaina amim-panetren-tena ny vavaka sy ny asa ary ilay fahantrana mamy tao amin’ny lavabaton’i Betlehema sy ny teny amin’ny Hazofijaliana… »

            Tetsy andanin’izany, vao mainka niverina niangavy azy mafy hiasa ao amin’ny diosezy koa ny arsevekan’i Marianna any Brésil. Nibitan-kafaliana i Mompera Orione ary nahatsiaro ilay nofiny indray andro momba ilay aron’akanjon’i Masina Maria nandrakotra ankizy samihafa firazanana. Ny volana Desambra 1913 no nanainga ireo misionera mpamaky lay ho any Mar de Hespana any Brésil, rahefa nahazo ny fankatoavan’ny Eveka.

 

RAIN’IREO KAMBOTY TAO MARSICA

 

            Vao mangiran-dratsy ny marainan’ny 13 Janoary 1915 dia nihetsika mafy indray ny tany tao Marsica, ary nandrava tanteraka ny tampon-tanànan’i Avezzano, rakotra ranomandry matevina ireo sisa tavela tamin’ny faritra nanamorona ny reniranon’i Fucino. Nahakivy tanteraka izay rehetra hita. Tetsy andaniny ny tahotra ireo amboadia masiaka sy ireo mpangalatra mpanararao-paty. Andro vitsivitsy taorian’izay vao naha marika ny Governemanta tao Roma fa simba tanteraka ny roa ampahatelon’ny Diosezin’i Marsi. Ny nahagaga dia ireo antitra sy ankizy no maro tamin’ireo sisa velina. Tena olana lehibe tokoa ny fiahiana ireo zaza kamboty tao Marsica. Fiara iray efa ela niasana izay no indro tampotampoka teo, nanangonany ireo ankizy kamboty ; noraofiny ihany koa ireo antontan-taratasiny mba hiarovana ireo harena lovany. Matetika no nahitana azy nibaby zaza teo anivon’ireo sisan-korontam-bato ; indraindray aza dia zaza telo no atao indray mibaby. « Tsaroako i Mompera Orione tany Avezzano -, hoy ity olona iray mpiasam-panjakan’ny governemanta, ny rebareba nihoso-potaka -, ny vozona very bokotra, ny takolaka hatsatra sy mahia, ny loha hila tsy ho zaka, ny masony… maso difotry ny alahelo sy toa feno fahatoniana manarona fitiavana sy fitserana lalina… » (sary 27) . Mbola i Don Orione ihany koa no nisahana ny birao fanangonana ireo sisa azo noraisina ; notoheriny mafy ny handoroana ireo razana. Fatratra ny fikarohany hatramin’ny madinika indrindra tao anatin’ireo korontam-bato ny sisa tamin’ny Hostia voahasina sy ny sisan-taolan’olomasina. Namboariny mba ho tonga lasapely ny tranobongo kely iray, ary dia tao no nanolorany sorona masina sy nampikonfeseny ary nitoriany ny amin’ny hatsaran’ny fahafoizan-tena kristianina.

 

FIARAN’NY MPANJAKA NOTAFIHAN’NY AMBOADIA

                 Indray andro, tsikaritr’i Mompera Orione fa nipetra-potsiny ny sasantsasany tamin’ireo fiaran’ny mpanjaka, ka avy hatrany dia nakariny haingana tao anatin’ny iray tamin’ireo ny zaza kamboty vitsivitsy voavonjy tamin’ny horohoron-tany. Nisakana azy sy nanaitra ny mpanjaka ireo mpiambina saingy tsy nisy tahotra velively tao amin’i Mompera Orione raha nanatona sy nangataka fiara iray tamin’ny mpanjaka izy, hitondrana ireto zaza ireto any Roma. Resy lahatra tamin’ny fahatsoran’ity pretra kely ity ny mpanjaka Vittorio Emanuele III ka dia nanaiky. Tsy ela dia nanampy isa ireo tany amin’ny sekolin’ i Mompera Orione tany andrenivohitra sy tany Italia avaratra ireto zaza ireto. (sary 28)

            Indray andro koa, rakotra ranomandry natevina ny lala-miakatra an’i Montebove ka tsy afa-nanohy intsony ny fiara nitondrana ireo kamboty. Tampoka teo, horakoraka mafy : - Amboadia ! amboadia ! - Tony dia tony i Mompera Orione sy ilay mpamily namaha ny olana. Nihoitra mafy dia mafy namelona ny fiara izy ireo no sady nanapoaka basy, narahina horakoraka nampihemotra ireto amboadia : tafainga indray ny fiara ary dia voavonjy ireo zaza. (sary 29)

 

ADY SY SOSIALISMA

 

            Tamin’ny fotoana naha tafaverina an’i Mompera Orione tao Tortona, ny 24 Mai 1915, no nipoaka tao Italia ny « ady lehibe voalohany », izay efa nampoizina sy nampitomany mafy ny olomasina Pio X. Efa elaela ihany no notandindomin-doza roa  ny vahoaka italianina, ka nahatonga azy ireo tsy hifanaraka : ny « Liberialisme sectaire » izay mankahala ny mpitondra fivavahana andaniny, ary ny « socialisme matérialiste » izay mandà an’Andriamanitra sy mikendry koa ny ady amin’ny sarangam-piarahamonina sy ny didy jadona ankilany. Fifankahalana no mameno ny fon’ny maro…Inona moa no mety haterak’izany afa-tsy ny ady amin’ny samy firenena sy ny fifampiandanian’ny mpiray firenena ?... Tia sy nankahery izay rehetra naneho ny fifankatiavan’ny kristianina sy ny firahalahiana hatrany kosa anefa i Mompera Orione. Ho azy manko ny olombelona dia ambonin’ny zavatra rehetra, « mpiray tampo » ary samy « zanak’Andriamanitra » mpandova an’i Jesoa voafantsika.

 

IREO MASERA MADINIKA IRAKY NY FITIAVANA

 

            Teo anoloan’izany ady feno herisetra sy fifandonana rehetra izany no nahitan’ i Mompera Orione vahaolana mangina tao anatin’ny fotoana fohy, dia ny fananganana ny fikambanan’ireo Masera madinika iraky ny Fitiavana, ny volana Jiona 1915, izay nanankinany indrindra ireo mahantra, ireo marary, ireo madinika sy kamboty tsy misy mpiahy tandindomin-doza. Tamin’ny Volana Oktobra 1917 dia i Mgr Albera, sakaizan’ny Fikambanana, no nitsodrano ny fanamian’ireo masera telo voalohany nisalotra anarana mifono hevi-dalina : Masera Finoana, Masera Fanantenana ary Masera Fitiavana. (sary 30)

            Teo àry ny no nanokafan’ i Mompera Orione ny Fikambanany ho amin’ny asa fanampiana ara-tsosialy sy hanao asa soa, ka nampitombo ihany koa ny fitiavana sy ny fahalalan’ny olona azy izany. I Don Bosco sy i Cottolengo no tsaroan’ i Mompera Orione nampitsiry izany tao aminy. Hatreto dia ny fikarakarana ireo tanora sahirana no nimasoany, fa manomboka izao kosa izy dia hitodika bebe kokoa amin’ny asam-panirahana hiahy sy hitia manokana ireo fara-idiny, ireo sembana, ireo malahelo, ireo nahiliky ny iaraha-monina izay nomeny anarana hoe « ireo diamondran’ny fiarahamonina». Misandratra ho zava-tsarobidy avokoa mantsy ny zavatra rehetra ao amin’io tranobe tsimialonjafim-pitiavana io noho ny Fitiavan’i Jesoa Kristy.

 

TRANOKELY COTTOLENGO

 

            Tsy i Mompera Orione no nanome io anarana « Tranokely Cottolengo » io fa dia teraka ho azy avy amin’ny fahatsapan’ny vahoaka tsotra azy, izay fatra-panaja sy mitia ny olona manao soa ireo mijaly toy ny nataon’ilay olomasin’ny fitiavana tao Turin (Cottolengo). « Ny tranokely Cottolengo - hoy i Mompera Orione nanoratra - no fandri-baratry ny tanàna izay misintona ny tso-dranon’Andriamanitra hirotsaka aminy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fanekena hijaly… Ny vavaka no herintsika ! izy no hany tokana mankahery ! … Ny varavavaran’ny Tranokely Cottolengo dia tsy mba manontany izay mandingana ny tokonany izay anarany na izay finoany, fa manontany kosa raha manam-pahoriana izy ! »

 

I MASINA MARIA SY ILAY FARI-TANANA NANANOSAROTRA

 

            Ny ady no fahavalo mahatsiravina indrindra ny fitiavana kristianina. Ravarava izao rehetra izao : mifamono ny samy olombelona, mandindona ny tanàna fahafatesana, manelohelo ny isan-tokantrano ny ranomaso sy ny fisaonana. Nahavaky ny fon’i Mompera Orione izany ka nahatonga azy hankahery ny olon-drehetra…

            Taona vitsivitsy talohan’ny ady dia fanaony isan-taona ny mikarakara fivahinianana masina izay nahataona mpino an’arivony hatrany na tany Caravaggio, na ny tany amin’ny toeram-panajana an’i Masina Marian’ny Fiambenana tany Genova, na tany an-toeran-kafa… (sary 31).   « Tena tafika masin’ny Finoana velona sy ny fitiavana an’ilay Virjiny masina tokoa izy ireo », hoy izy.

            Saro-tanterahina anefa izao ny fivahinianana masina noho ny ady. Izy rahateo nihevitra ny hivavaka sy hampivavaka ny olona, hihanta ny fiarovan’ilay Reny any an-danitra mba handresen’i Italia sy ny hiarovany manokana ny mponin’i Tortona, indrindra ireo any am-bava ady. Nampanantena hanangana toeram-pivavahana lehibe hanajana azy ao an-tanàna izy raha tanteraka izany. Tao amin’ny fari-tanànan’i San Bernardino, ilay faritra maditra olona sy mpikorontana indrindra ao Tortona no nanaingany ny vahoaka tamin’izany. Na ny hanao lamesa ao aza anefa dia  mety hitera-doza ho an’ny pretra. Nisy fiangonana kely izay anefa tao, fiangonana efa niorina tany amin’ny taona 1500 tany ho any. Ary dia ireo vehivavy mpanasa lamba tena nampalaza io faritra io mihitsy no tonga tao aminy sy nilaza taminy hoe « tongava aty ianao, Mompera Orione… fa raha misy mitady hanelingelina dia ho avy izahay amin’ny kiraronay hiaro anao… » (sary 32)

            Ny 29 Aogositra 1918, teo anatrehan’ny vahoaka tao amin’io faritra io sy niaraka tamin’izy ireo àry no nanaovany fanamby goavana hanorina eo amin’ny toerana misy azy ankehitriny ny « Fiangonana hanajana an’i Masina Marian’ny Fiambenana ».

            Ny volana Novambra nanaraka izay dia nifarana ny ady ary andresy i Italia. Voninahitra ho an’i Masina Maria ! Hafalian-tsy hahombiazana kosa ny an’i  Mompera Orione.

            Herintaona tato aoriana, ny volana Aogositra 1919, dia nisy fivahinianana masina niainga tao amin’io faritra izay tsy azo nanaovana fombam-pivavahana hatramin’izay io, nipaka hatrao amin’ny Katedraly izany, ho fanamafisana ilay fanamby lehibe hanorina fiangonana.

Tamin’ireo taona nanaraka an’io taona io aza dia tafakatra hatrany amin’ny toerana nisy ny lapan’ny tanàna mihitsy ny fivahinianana masina, ka nahitana an’ i Mompera Orione teny an-tendron’ny Tilikambo, notsilovin’ireo  fanala marobe, nandaha-teny ho famporisihana ny vahoaka hino an’Andriamanitra sy hitia an’i Masina Maria, i Italia ary ny Papa. Tamin’izay koa no nirariany soa mba hahasambatra  ny kristianina sy ny vahoaka tao Tortona. (sary 33)

 

DIA VOALOHANY TANY AMERIKA ATSIMO

 

            Niainga ho any Brésil i Mompera Orione ny 04 Aogositra 1921. Efa ela no naniriany hahita ireo misionerany any, izay toa saraka azy tsy fidiny noho ny ady lehibe ka tsy nandrenesam-baovao intsony. Naharitra 11 volana ny nitoerany tany. Voaasa ho any Argentine ihany koa izy tamin’izay ka teo no ho eo ihany dia nampiantso misionera andiany faharoa ho any : ireo no nanokatra fianarana asa sy asa tànana, fitaizana zaza tsy ampy taona, sekoly fiofanana ambony ary paroasy : « Nitomany mihitsy aho - hoy izy taty aoriana - raha nahita ireto vahoaka be tsy mba nanana pretra iray akory hanao batemy ny zanany, hankahery ireo marary tao aminy, ary hitso-drano ny fasan’ireo maty tao an-tanàna ! » (sary 34)

 

FIVOARAM-BAOVAO

 

              Ny 04 Jolay 1922 izy no tafaverina tany Italia ary dia nandefa ireo Relijioziny ho any Palestina hanokatra toeram-pambolena tao Rafat sy toeram-piahiana ireo zokiolona italianina tao Kafarnaoma ; nihitatra indray tany Pologne avy ny Fikambanana ny taona 1924 ary nihamaro ireo « Tranokely Cottolengo » niorina tany Genova ; teo koa ny fanokafana sekoly tany Rhodes ho an’ireo zaza kamboty armenianina marobe zanak’ireo katolika martiry novonoin’ny kurdes. Izany no nahasahian’ny Papa Pio XI nilaza tao anaty fivoriambe iray hoe : « Miandrandra fivoarana sy fandrosoana ny fianakaviam-ben’ny Fiangonana izay  tsy hafa fa Fianakavian’Andriamanitra. Tsy mila inona afa-tsy ny fanahafana ny oha-piainan’ilay rainy am-panahy, i Mompera Orione malalanay, ireo relijiozin’ny Asa Kelin’ny Fitondran’Andriamanitra raha te ho tonga amin’izany… ».

 

HO AZY TOMPO ANIE NY TRANO

 

            Nahiana mafy ho lasa sekoly protestanta ny trano be soa iray tao San Remo ny taona 1922. Niezaka mafy ny hisakanana izay mety ho fanimbana ny toe-tsaina amam-panahin’ireo tanorany noho izany i Mompera Orione nefa aiza moa no ahitany vola hanavotana io tranobe io ?...  Akory anefa ny hatairany sy ny hafaliany raha nahita fa nisy sarivongan’i Masina Maria tamin’ny lafin-drindrina nolavahana tamin’io tranobe io. Teo ambanin’io sary io no nahitany ny soratra hoe « Hijanona eto aho hiambina »... - Nitodika niandrandra an’ilay Virjiny masina indrindra àry izy sady nanao hoe - « Ry Reny Masin’ny Tompo ! efao ny adidinao : ambeno ity trano ity tsy ho lasa eo an-tànan’ny protestanta… » - (sary 35). Taorian’izay dia lasa niresaka izany tamin-dramatoa Giulia Almerini izy, ka rahefa ela nandresen-dahatra teo sy niantsoana maharitra ny fanahin’ny maty teny am-pasam-bahiny, dia nahazo ny fanampiana niriany ihany tamin’ny farany. Io no ilay tranom-bahiny « Santa Clotilde », trano nialan’ i Mompera Orione aina tamin’ny volana Marsa 1940.

 

NY SEKOLIN’I MD GEORGES SY ILAY ALIKAKELIN’I MB MARGUERITE

 

            I Mompera Orione no nahavita nanavao ilay sekolin’i Md Georges tao Novi Ligure, sekoly nalaza hatramin’ny taonjato telo nifandimby noho ny fampianarany sy ny fanabeazana katolika tao aminy. Tamin’ny fotoana nanaovan-tsonia ny fifampivarotana anefa dia niato kely tampoka i Mompera Orione sady nanao hoe : - « Toa reko loatra fa olombelona ihany aho ka mila an’i Masina Maria : alohan’ny hanaovako sonia dia mamelà ahy hiantso ny mpiaro anareo dia i Masina Maria voton-dranomaso… » - nanao « Arahaba, ry Maria ! » iray izy, vao niteny mafy hoe : - « Izay ! azoko ny aina ary dia an-kitsi-po no hanaovako izao sonia izao !... (sary 36)

            Ny taona 1925 dia nantsoin’ilay mpanao soa azy fahiny, ramatoa Servetti izy, ho tonga haingana any Corton. Alina izy no nanainga ka tsy hitany ny làlana. Ninia tsy nanontany olona izy mba tsy hamoha fiahiahiana amin’ny andro alina toy izany, ka dia ny nitodika tamin’i Mb Marguerite, mpanota nibebaka, mpiaro ilay tanàna no hany nataony. Mazàna moa dia aseho an-tsary miaraka amin’ny alika kely iray ity olomasina ity, ka dia hoy i Mompera Orione : « Oh ! raha mba afaka mandefa iraka hanampy ahy re ianao… ». Tampoka teo tokoa, indro alika kely iray mivolondavenona, nandrirotra ny moro-tongotr’akanjony sy nitondra azy tany amin’ny tranon’ilay vehivavy. Nandray tso-drano avy tamin’ i Mompera Orione ilay izy avy eo, nandohalika kely in-telo, dia lasa tsy hitany intsony. (sary 37)

 

IREO RELIJIOZY VAVY JAMBA MPITSAOKA SAKRAMENTA MASINA

 

            Raha tsy ny fahalalany fa sitrak’Andriamanitra izao ataony izao dia efa nifidy ny hihiboka any an-toeram-pitokana-monina i Mompera Orione, mba hibebaka sy hivavaka. Fiteniny matetika rahateo ny hoe : « Eo am-pandolihana indrindra, izay mihoatra ny zavatra hafa rehetra azo atao, no hahafahana mamonjy Fanahy… »

            Noho izany indrindra, ankoatr’ireo mpitoka-monin’ny Fikambanana dia nanapa-kevitra izy fa mba ho fanohanana ireo pretra sy relijiozy, misionera sy masera, izay efa miasa amim-pitiavana sy am-pahazotoana tany rehetra tany, dia ilaina ny hisian’ny fanahy be fitiavana tsy hanana iraka afa-tsy ny hibanjina sy hitsaoka ny Eokaristia.

            Taorian’ireo mpitoka-monina àry, dia tamin’ny andro « Nampiakarana an’i Masina Maria any an-danitra », tamin’ny taona 1926 no nanorenany ny fikambanan’ireo Masera Jamba Mpitsaoka ny Sakramenta Masina, izay manana fitsipika sy fanamiana miavaka ankoatry ny fanaovany asa tànana voakaly. Tao Tortona no niandohany, nefa dia efa miely patrana amin’ny tanàna maro sy hatrany amin’ny firenen-kafa ihany koa.

 

  FANGATAHANA HO AN’NY FIANTSOAN’ANDRIAMANITRA

 

            Mba hahazoany antoka ny ho avin’ny Fikambanana dia nanao antso avo tamin’ireo pretra mpitondra fiangonana nanerana an’i Italia i Mompera Orione ny taona 1927. Tamim-pahatsorana tokoa no nitalahoany azy ireo hifantina tanora sahirana ho an’ny sekoliny, fa hitahiry kosa ho an’ny Eveka sy ny seminerany avy ireo tanora tsara sy ara-dalàna antsoin’Andriamanitra. « Toa ahy fony mbola kely, nahavatra nitsindroka salohim-bary, niaraka tamin’ilay reniko nahantra ; ankehitriny dia tonga indray aho hitsimpona amin’ny anaran’Andriamanitra ireo voambary raraka ka mety ho verivery fotsiny amin’izao ». Nangatahany ho azy tamin’izany àry « ireo tanora mahantra toa hadinodino nefa kosa manana risi-po tsy misy fitaka sy famantarana  fa antsoin’Andriamanitra hanompo Azy… ». Noezahiny nofantarina vetivety ny zava-misy tany amin’ireo « akany » sy toeram-piofanan’ny fikambanana, tany amin’izay nisy toerana ho an’ny rehetra tsy hanavahana : ireo maniry ho mpikambana, ireo misionera, ireo masera, ireo olona hafa mahaleo tena, ireo vehivavy maty vady, ireo nolavin’ny fiaraha-monina, ireo mpitoka-monina mahiratra na jamba… Ka hoy ihany izy : « Ny hany tadiaviko dia ny hananan’izy ireo toe-tsaina tsara, fahasalamana araka ny tokony ho izy, sitra-po tsara hitiavana sy hanompoana an’i Jesoa Kristy, ary hiasana amim-pahaiza-manaiky am-panetren-tena, hahafoy tena hitia ny hafa, ary hanasoa ireo fara-fahantrana. Fa ho an’ny mahantra ny Fikambanantsika, ary ho an’ireo faran’izay mahantra sy fara-idiny ary ireo nilaozana».

 

ILAY SANKTOERA AO TORTONA

 

            Ny takarivan’ny 25 Marsa 1927 dia nihanika an-tongotra ny Val Polcevera i Mompera Orione, ka tonga tao an-tampon’ny trano fiangonana fanajana an’i Masina Marian’ny Fiambenana manerinerina eo ambonin’ny tanànan’i Genova. « Tsapako - hoy izy nanoratra - fa nilaiko tokoa ny nandeha nivavaka tany an-tampon-kavoana hitalaho ny fanampiany sy ny tso-dranony ho an’ny asa fanorenana ny fiangonana vaovao ao Tortona, araka ny voady nataoko, sy ho an’ireo mpiasa ihany koa mba tsy hisy loza hahazo antsika. Sady nivavaka aho no latsa-dranomasom-piononana teny an-dalana niakatra teny… Matoky tanteraka an’ilay Virjiny masina indrindra izay efa namelatra ny aron’akanjo mangany  hanarona ny rehetra aho, ka mino fa ho avy ny fotoana hitokanantsika ilay trano fiangonana kanto nefa dia tsy hisy na iray aza amin’ny mpiasa haratra na ho voakiaka kely akory… ». (sary 38)

            Taorian’ny folo taona niandrasana, noho ny antony samihafa izay tsy niankina taminy dia nanapa-kevitra hanomboka ny asa fanorenana i mompera Orione. Ny 23 Oktobra 1926 no nitsofan’i Kardinaly Mgr Carlo Perosi rano ny vatofototra, ary ny 16 Avrily 1928 kosa no nanombohan’ i Mompera Orione nitarika ireo tanorany sy ireo pretrany ny vava-asa fanorenana…

 

NY GAZETY « MATER DEI »

 

            Nankalazaina ny taona 1931 ny faha-1500 taonan’ny Konsily tany Efezy sy ny fanmbarana ny dogma momba an’i Masina Maria « Renin’Andriamanitra ». Tian’ i Mompera Orione fatratra ny hanajana sy ny hiantsoana an’i Masina Maria amin’izany anarana izany : « Masina Maria, Renin’Andriamanitra…mivavaha ho anay ! » io no fiantsoana maminy indrindra an’i Masina Maria satria ny maha-Renin’Andriamanitra azy no maha ambony indrindra ary fototra sy anton’ireo fanajana manokana an’i Masina Maria. Ho fanehoana izany indrindra no nahatonga azy hamorona sy hamoaka gazety iray, izay nankasitrahan’ny Papa Pio XI tokoa, ka voafidy ho ivon’ny Komitin’ny fety rehetra momba izany tao amin’ny Fiangonana.                      

Mbola ny taona 1931 ihany koa no nahatanterahan’ i Mompera Orione ny voady nataony tamin’ny mponin’i Tortona. Azo sainina ve ny hafanam-po nandritra ireo taona lasa ireo : « Indro fa mitsiry indray – hoy izy nanoratra – ny firindran’ny finoana sy ny asa masina ary ny asam-pitiavana. Hitako ho nihetsika ny vato, nandre hira avy tany an-danitra aho ary na dia ny vato aza dia indreo nihoby ! Hitako nofy i Masina Maria ! Hitako izy niara-niasa taminay, ary na dia ireo vatom-panorenana ny fiangonany sy ireo asam-pinoana amam-pitiavana aza no indreo zary velona tery, namony, nihira, nanandra-peo niaraka taminay hoe : Maria ! Maria ! Maria !... ».

 

ILAY MOMPERAN’NY VAKIM-BILANY SY NY TRANON’OMBY VELONA

 

            Nahita hevitra hafa kely i Mompera Orione mba hanentanana ny olona hanampy azy amin’ity asa goavana hanomezam-boninahitra an’i Masina Maria ity. Niriany ny hanangana sarivongan’i Masina Maria iray lehibe mivolom-bolamena eo amin’ny andohalambon’ilay fiangonana izay azo tazanin-davitra ka ampy hanaitra ny fisainan’izay varimbariana. Niantso ny olona àry izy mba hanome azy ny vilany vy na ny vilany alimo, ny fitaovan-dakozia sy fitaovana hafa vita amin’ny varahina efa tsy ampiasaina intsony. Nahavatra nitety diosezy mihitsy izy tamin’izany ary hafaliana toy inona no nandraisan’ny olona azy ! Dia naraikitry ny olona ho ilay « Momperan’ny vakim-bilany » ny anarany ; ary na izy aza dia nahatsiaro faly tamin’izany : « tsara fipetraka izany anarana izany - hoy izy - fa ny tena zava-dehibe dia ny fanompoana an’i Masina Maria Virjiny… » (sary 39)

            Fatra-pandalina ny misterin’i Betlehema ihany koa i Mompera Orione. Voataizan’ny fisainana fransiskanina rahateo izy, ka nikarakara « tranon’omby velona » tamin’ny andro Noely. Tranon’omby ahitana mpiandry ondry arahin’ny ondriny, mpitsoka antsiva sy anjombona, anjely miantsa « voninahitra », mpanjaka sy majy mitanjozotra mamakivaky ny tanànan’i Tortona sy ny tanàna hafa, ka zary nanaitra ny ankizy tia vao sy ny lehibe ho tonga saina. Nitangoronan’ny olona ny tranon’ombin’i Jesoa raha vao injay niainga avy any ny anjomara sy ny hira fihobiana : « Tsapa ao amin’ny fiainana indraindray fa tena maty sy nalevina tokoa i Kristy - hoy i Mompera Orione - nefa na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hitsangan-ko velona hatrany Izy… ».        Io fitsanganan’i Jesoa ho velona ao amin’ny fiainan’ny tsirairay io no kendren’ny hetsika ara-pivavahana sy izay rehetra ataony ho an’ny vahoaka.

 

FITIAVAM-BAVAKY NY VAHOAKA - FITOKANANA NY FIANGONANA

 

            Fantatr’ i Mompera Orione fa fanomezana lehibe tokoa ny finoana kristianina, izay loharanom-pahatoniana sy firahalahiana ary fahasahiana. Nofidiany ho sehatra iasany ny vahoaka sy ny mahantra, hany ka dia niriny tokoa ny hitahiry sy hampitombo ary handio ny fitiavam-bavaky ny olona. Namafy tamin-kafanam-po feno fahamalinana izay rehetra mety hampitombo ny fitiavana ny fivavahana tao am-pon’ny olon-tsotra izy, indrindra izay mety mahakasika ny fitiavana an’ilay Virjiny Masina. Ireo Papa rahateo, izay samy nahatsapa hoe hatraiza ny haben’ny fitiavan’ i Mompera Orione ny Fiangonana ary manakory ny firaiketany amin’ny fiketrahana masina, dia samy nanankina iraka taminy, indrindra ireo sarotra sy nanahirana, nefa dia notanterahina tamim-panoavan-janaka na dia mety ho nitaky fahafoizana lehibe taminy aza.

            Ny 29 Aogositra 1931 no nanokafan’i Mgr Grassi tamim-pomba ofisialy ilay sanktoeran’i Tortona. Fara-fahambonian’i Masina Maria, fandresen’ny finoana kristianina ! Dia mivavaka nitondrana ireo borety sy fitaovam-piasana samihafa no nataon’ireo pretra sy tanoran’ i Mompera Orione tamin’io andro io, dia ireo « fanirakirak’i Masina Maria », niasa  nandritra ny telo taona (sary 40). Nahazo Tempoly ilay « Renin’Andriamanitra », tanteraka ny fanamby sy ny fampanantenana.

 

FITIAVANA NO NAHARIANA IZAO REHETRA IZAO

 

            Toy ny Olomasina i Mompera Orione rahefa miteny : « Mihira antsa vao ho an’Andriamanitra i Tortona : fa maraim-baovao miposaka ny fitokanana sanktoera ! Olona firifiry no hiandrandra hijery anao ? Firifiry ary avy aiza avy ireo hamily ny diany hankaty aminao ry toera-masina mba hananany fiainam-pinoana marina, kristianina sy sahaza ny vahoaka, ka haniriany hitia an’Andriamanitra sy ny rahalahiny ary hanompoany an’i Kristy ao amin’ireo kamboty sy mahantra, amim-panetren-tena sy fitiavana ary amin’ny asa !... Tortona ! Tazanao ve ireo mpiasa kely nanorina ny Sanktoera ireo ?

            Heverinao ho mpanao trano angamba izy ireo nefa dia ireo no lalivain’Andriamanitra : miendri-borodamba sy malotoloton-tsokay ny  fitafin’izy ireo, tena mahantra lavitra noho i François tany Assise… Any andro,any volana anefa ; ho hitanao fa… Andriamanitra hanova azy ireo ho Apostoly, ho irak’i Kristy, hiantsoantso fivoaram-piaraha-monina, ka hiparitaka maneran-tany « in faniculo fraternitatis »…

               Ny fametrahana ilay sarivongan’i Masina Maria notefena avy tamin’ireo vakim-bilany no sisa… saingy dia niandry fotoana ela izany noho ny « ady lehibe faharoa » tamin’ny taona 1939 sy ny nahafatesan’ i Mompera Orione. Taty anelanelan’ny taona 1955 sy 1959 vao tanteraka izany dia ilay tendron’andohalambo goavam-be mahatratra 60 metatra, miloloha ilay sarivongana lehibe dia lehibe mivolom-bolamena mirefy 14 metatra, maneho ilay « Renin’Andriamanitra ». Papa Ray Masina roa no nitso-drano ity haikanto sarobidy ity dia ny Papa Pio XII sy ny Papa Joany XXIII. Ity farany aza moa dia tonga tao Tortona mihitsy ny volana Aogositra 1958, fony izy mbola Arsevekan’i Venise, roa volana monja talohan’ny fifidianana nahalany azy ho eo amin’ny Fiketrahana masina.

 

IREO MPIANATRA MAINTIMOLALY

 

            Sarotra ny hanaraka ny folo taona faran’ny fiainana tsy nisy fitsaharan’ i Mompera Orione.

Ny 27 Mai 1934 no notanterahina voalohany tao Tortona ny Kongresin’ny Maintimolalin’ny Fikambanana : « tsy mba noheveriko mihitsy - hoy i Mompera Orione, vaky vava - fa mbola misy tia sy mahatsiaro, na ny firehidrehitry ny fo, na ny afom-pinoana, na ny mbola mahavelona hatrany ny fomba fisaina sy fiaina am-pahamarinana sy am-pahamasinana ny fanabeazana kristianina ao amin’ireto fanahy maro be ireto… »

 

FITSIDIHANA FAHAROA TANY AMERIKA ATSIMO

 

            Ny volana Septambra nanaraka io no niampita ranomasina indray izy. Noheveriny manko fa mety ho tara loatra raha mbola miandry mihoatra izay, noho ny fahasalamany nihamarefo, andaniny, ary noho ny fanirian’ireo misionerany te-hahita sy handre azy mivantana, ankilany.

            « Tamin’ny farany naha tany an-toerana ahy ny taona 1921 - hoy izy talohan’ny niaingany - dia zara fa nahatsangana sekoly tokana feno hipoky ny ankizy fotsy sy mainty ny tany… Ankehitriny kosa, sekoly 15 no miparitaka any Brésil, Argentine, Uruguay. Ny hanao izay vitako any Chili izao no faniriako ary tsy avelako fotsiny amin’izao ny any Amerika avaratra. Efa betsaka rahateo ny vitan’ny Fikambanantsika ho an’ny Italianina sy ny zanany… ». Vahoaka moa izany tonga nanatrika ny fanaovam-beloma azy tao amin’ny Sanktoeran’i Tortona ny 23 Septambra 1923 : « Ireto no fitiavana lehibe ho antsika - hoy izy tamin’izay - dia ny fitiavana an’i Jesoa sy i Masina Maria, fitiavana ny Papa ary fitiavana tsy misy fetra ho an’ny Fanahin’ireo rahalahintsika, indrindra ireo mahantra fara-idiny sy nilaozana. Ireo Fitiavana lehibe sy masina ireo no fahatsiarovana apetrako aminareo ».

            Tamin’ny farany dia niangavy ireo mpiara-miasa taminy hanao « Arahaba, ry Mpanjakavavy » iray isan’andro izy, « mba hanirahan’ny Tompo hazofijaliana ho antsika sy ny hery hahazakana izany ».  Fa raha ho azy kosa, hazofijaliana mavesatra no hoentiny hiampita ranomasina !...

            Ny ampitson’io dia nandao an’i Genova tamin’ny sambo « Conte Grande » niaraka tamin’ny andiana misionera izy. Nahafaly azy manokana ny niara-dia tamin’ny Kardinaly Pacelli tamin’io fotoana io ; iraka manokan’ny Ray Masina hanatrika ny Kongresy Eokaristika tany Buenos Aires (Argentine) izy io tamin’izay. Io Kardinaly io no tonga Papa Pio XII taty aoriana. Ny 09 Oktobra izy ireo no tonga, ary dia afaka nanatrika sy nandray anjara asa tamin’ny fankalazana ny fandresen’i Kristy Eokaristia.

            « Lanonana tsy ho hay hadinoina !  hoy izy nanoratra. Hitako, tsapako hoe inona ary toa inona izany famindram-pon’Andriamanitra izany ! Lehibe lavitra mihoatra noho ny lanitra ! Inona no tsapanay ?... Jesoa !... Ry rahalahy ! reraka ny vahoaka, kivy, tsapany fa zava-poana izao rehetra izao ary tsy misy na inona na inona rahefa tsy eo Andriamanitra. Antra ny vahoakany i Kristy ary te-hitsangan-ko velona Izy ka haka indray ny toerany : fa tamy i Kristy ary eo an-tanany ny ho avy rehetra ! ».

 

AM-PERIN’ASA

 

            Nanomboka tamin’izay ny fitetezana ireo firenena samihafa any Amerika atsimo, ka nihaonany tamin’ny mpitondra fanjakana sy mpitondra fiangonana.

Nisy ny fitokanana ireo « Tranokely Cottolengo » ; nisidinany hatrany amin’ny 5.000 m tany ambony tany ny tandavan-tendrombohitr’i Ande mihazo an’i Chili. Nametraka ny fototra sy nanoritsoritra ny ho fizotry ny asa izy : ny sisa kosa, tsy nisalasalany fa hotanteraky ny Fitondran’Andriamanitra sy ny fahafoizan-tena an-kalalahan’ireo mpikambana. Narahina akaiky ihany koa anefa tamin’izany ny fandrosoan’ny asam-pikambanana tany Italia ; nandefa hafatra tamin’ny alalan’ny radio sy nanao fandraisam-peo tamin’ny kapila izy. Nankahery ny fiantsoan’Andriamanitra teo an-toerana ihany koa, ka tonga hatrany Argentine sy Itatì, izay toerana nanoloran’ny olona azy ny Sanktoeran’i Masina Maria iray, izay nohatsarainy sy nohalehibeaziny. « Ny protestanta sy ny jody no betsaka ao - hoy izy - ny mpivarotra tonga maro noho ny hasy sy ireo harena be ka nahoana no tsy hisy akory pretra hamonjy ny fanahy sy hiahy ireo mahantra ?... » (sary 41).

            Nanoratra taratasy maro izy, tena ny « sata fototra » (magna charta) ho an’ny aim-panahin’ny Fikambanana mihitsy, sady vavolombelon’ny asa sy ny fahamasinana.

 

FAHAFAHAN’ ILAY TOVOVAVY AZON’NY DEMONY SY ILAY SARY VASOBASOKA

 

            Ny volana Mai 1937 tao Buenos Aires dia nandroaka demony tamin’ny zazavavy iray izy, nefa dia loza ny teny ratsy namadihan’ny asan’ilay ratsy ilay vavaka fandroahana nampanaoviny azy hoe « Ry Maria, notorontoronina tsy azon-keloka… ». Niezaka mafy tam-pinoana anefa i Mompera Orione ary nandidy ilay demony hiala tamin’ny tenan’ilay tovovavy tamin’ny anaran’ilay « Nanorotoro ny lohany ». Namaly bontana azy anefa ilay demony ka nirarak’ompana ny ompa nataony - tamin’ny alalan’ny feon’ilay tovovavy izay nitsipatsipaka tsy niato - ary nandà mafy ny hiala tao izy. Noho ny herin’ny vavaka fandroahana nihantan’ i Mompera Orione an’i Masina Maria Virjiny anefa dia niala tao amin’ilay tovovavy ihany izy. Ilay tovovavy kosa, rahefa niha nalemy sy tonga toy ireny efa maty ireny, dia nahatsangana ihany avy eo, afa-patorana ary dia velom-pisaorana azy noho ny soa be nataony. (sary 42)

            Mbola nisy ihany koa famonjena olona manokana nataony tamin’ny alalan’i Masina Maria.

            Indray andro, nahita sarivongan’i Masina Maria Mpanjakavavin’ny Tendrombohitra Karmely tao anatin’ireo zavatra nalefan’ny olona ho an’ny « Tranokely Cottolengo » izy. (sary 43)         . Sary efa vasobasoka sy nahafahana be ihany nefa noho ny fitiavany manokana an’i Masina Maria dia nodioviny sy nentiny tao an’efitranony. Indraindray anefa, amin’ny alina dia tsikariny fa misy hazavana mihelohelo eo ambonin’io sary io ka izany no nahatakarany fa hisy zavatra hiseho tsy ho ela ao amin’ny Fikambanana.

 

« NY VAVAKA NO MANATANTERAKA NY ASAN’ANDRIAMANITRA »

 

            Talohan’ny handaozany an’i Itlia no efa tsy dia tsara loatra ny fahasalaman’ i Mompera Orione. Nanoratra àry ireo mpiara-miasa aminy fa « raha maharitra mitoetra aty Amerika dia ho fatin’ny asa marina tokoa ». Niangavy azy hiverina noho izany ireo tany Italia, nefa dia mbola te-hijanona ihany izy noho ireo asa fanasoavana maro mbola tiany hotanterahina… Fantany koa anefa fa mitebiteby noho ny aminy ireo any an-tanindrazany.

            Ny volana Aogositra 1937  dia nanao veloma ireo zanany misionera izay tsy ho hitany intsony izy. Vory marobe ny olona hanao veloma azy, hatramin’ireo mpitondra fanjakana notarihin’ny Filohan’ny Repoblika mihitsy.

 Nahatratra ny fetin’i Masina Maria Mpanjakavavin’ny Fiambenana tao Tortona izy nony niverina, ka akory ny hafalian’ireo zanany sy ireo mpivahiny masina tonga tao ary ny an’ireo mponin’i Tortona manontolo. Tsikaritry ny olona ho miha-reraka sy miha-hatsatra hatrany anefa tamin’izay ny endriny. Ho azy kosa anefa, tsy nisy niova tamin’ny nahazatra hatramin’izay : miasa sy mitety vohitra naneho sy nizara fitiavana. Nandritra ireo fihaonana indroa miantoana tamin’ireo « mpanao soa » sy ireo « sakaiza » tao amin’ny Oniversite Katolikan’i Milan no namoronany ny « Antsan’ny Fitiavana » (Desambra 1937) sy ny « Antsan’ny Fitondran’Andriamanitra » (Janoary 1939).

            Nanao izay hampiroborobo ny fianaran’ireo zanany izy hatreo, nanokatra tranom-pikambanana samihafa vaovao, ary dia nitety sy namangy ireo tranony. Nandritra ny fitokanana ny Sekoly Md Filipo tao Roma no nanaingany ny rehetra : Kardinaly, Minisitra sy manam-pahefana hafa maro, ary ny vahoaka manontolo hiaraka hanao ny vavaka fanajana an’i Masina Maria rahefa velona ny Anjelisy ; avy eo dia nitodika tamin’ilay mpanentana ofisialy izy : « R’ingahy Cavazzoni loholona,  aza dia be fanitatra sy be dokadoka loatra re !... Tsy nanao afa-tsy ny nanambatambatra ny drafitr’asan’ny Fitondran’Andriamanitra anie aho e… » (sary 44)

            Ny volana Marsa taorian’izay izy dia efa nanainga ny maro tamin’ny fanaovana ny « laus perennis » na ilay vavaka maharitra andro iray manontolo iombonan’ireo fianakavin-drelijiozy samihafa ao anatin’ny « Trano Fitiavana » : « Amin’ny alalan’ny vavaka - hoy izy nanamafy -  no hahatanterahana ny asan’Andriamanitra. Avy aminy no hahazoantsika ny fanilovan’Andriamanitra, ny hery mihoatra ny an’ny olombelona, ny fahavononana hanao soa, ny filaminana anaty fahasahiranana, ny fahatonian’ny lanitra izay indraindray aza dia hita soritra ety ivelany  amin’ny endrik’ireo mivavaka mihitsy… Ny vavaka no manetsika  antsika hiasa… »

 

I MASINA MARIA IHANY NO MANORINA IREO SANKTOERANY

 

            Niharatsy hatrany ny fahasalamany ny taona 1939. Hafaliana lehibe ho azy anefa ny mbola nahafahany nanatrika ny fitokanana  ilay trano fiangonana vaovao fanajana an’i Masina Marian’i Caravaggio tao Fumo (Pavia). Indray andro, nangata-bola taminy hanefana ny karaman’ny mpiasa nanorina azy io i Mompera Perduca, izay nanankinany ny fanorenana : - tsy manana aho - hoy i Mompera Orione namaly azy - miverena rahampitso fa hoheverin’i Masina Maria izay hatao amin’izany… Ny ampitson’io, nanao lamesa tao amin’ny fiangonana Masina Misely, teo amin’ny Otelin’i Masina Maria Virjinin’i Karmely, izay mifanitsy indrindra amin’ny rindrin-trano foiben’ny Fikambanana izy : Ry Mpanjakavavy malala ! hoy izy feno fahatokiana - mila vola handoavana ny karaman’ny mpiasa any Fumo aho ka raha sitrakao dia mba aloavy ny hofan-tranoko ! » (sary 45). Vao vita ny lamesa dia efa nisy olona roa mpanao soa niandry azy tao amin’ny Sakristia ary nanolotra azy vola fanampiana tao anaty valopy, izay tsy nosokafany akory fa niandrasany an’i Mompera Perduca. Gaga ity farany fa tena ny totalim-bola nilainy no tao : « Nohasoavina anie i Masina Maria - hoy i Mompera Orione nihoraka - fa izy ihany no manorina ny trano fiangonana hanajana azy. Tsy azo atao ny tsy matoky azy !... »

 

IREO FIHAONANY FARANY TAMIN’NY SOLONTENAN’I KRISTY

 

            Ny volana Septambra 1939 ; niankohoka teo an-tongotry ny Papa Pio XII i Mompera Orione, ary teo am-piafaran’ny fandraisana izay nahafinaritra tokoa dia naverimberin’ny Papa taminy ny hoe : Mbola miverena aty, miverena !... Iray volana taorian’izay dia niverina indray i Mompera Orione saingy dia nihazo ny lalana « Appia » izy noho ny fiangavian’ireo mpianany 1700 tao amin’ny sekoly Md Philippe de Neri nitalaho mafy ny mba hiantsonan’ny Papa fotoana fohy eo am-bavahadin’i San Sebastiano rahefa miverina avy any Castelgandolfo. Teo avokoa izy rehetra nihoby azy sy nanototra voninkazo. Ranomaso-kafaliana no nandraisan’ i Mompera Orione ny tanan’ity Solontenan’i Kristy sy nametrahany izany teo an-tampon-dohany : « Nataoko izany – hoy izy somary nananihany taty aoriana – mba hampangatsiatsiahany ny ati-dohako » (sary 46). Noho ny fitiavany azy manokana anefa no tena nanaovany izany… dia ilay fitiavana natakalo ka nampientan-kafaliana azy tsy nisy toy izany, ny volana Janoary 1940, raha niantso ireo relijioziny hiasa, hanampy ny tao amin’i Paositr’i Vatican ny Papa.

 

ARETINA TSY AHITAM-PANAFANA

 

            Fony izy mbola tany Amerika no efa namboraka indray andro hoe : « Efa imbetsaka no nanolorako ny fanahiko tamin’Andriamanitra. Reko ho maharary ahy ny foko, mivadibadika fotsiny aho indraindray fa tsy mety mahazo aina. Nefa, ’ndao hatrany fa vao tanorakely 62 taona aho, ka raha ho tonga aza rafahafatesana anabavintsika, dia hafaliana no handraisako azy satria efa mba ela ihany izay nahavelomako izay… ». Dia toa tonga tokoa àry rafahafatesana ny 01 Avrily 1939, raha izy mbola tany Alessandria nanokatra ny Foibem-panofanana arak’asa iray vaovao tany iny, nefa dia tafarina ihany izy herinandro tato aoriana : « Nitsangan-ko velona aho !... Arahaba, ry Maria dia roso indray !... », hoy izy nampahatoky ny rehetra. Nihalefy indray anefa ny heriny ny maraim-ben’ny 09 Febroary 1940 : nangataka hanao komonio sy handray ny fanosorana ny marary izy tamin’izay. Mbola tafavoaka ny krizy ihany anefa izy teto ary dia toa nitsiry indray ny fanantenan’ny maro. Nanandrana niverina niasa mihitsy aza izy avy eo ka hoy izy nampitondra teny ho an’i Mompera Sterpi mpanampy azy, izay nanoro hevitra azy hiala sasatra : « Tsy ahoako ny fahasalamako, tsy ahoako ny aiko, fa iriko ny hamita hatramin’ny farany ny adidiko ». Naverimberiny rahateo ny hoe : « Tiako ny ho faty am-pitsanganana eo am-perin’asa sy am-pibanjinana ny lanitra… »

 

NANDINDONA AZY NY FAHAFATESANA, NAMONJY AN’I SAN REMO IZY

 

            Nifamadibadika teo ny fahasalamany ny volana nanaraka io : vitany hatrany kosa anefa ny nanao lamesa. Ny 06 Marsa, tsy maintsy hamela veloma izy fa nanapa-kevitra ny handefa azy hiala sasatra any San Remo ny mpitsabo. Niomana ny hanainga izy : « Mahantra ity fanamiako ! - hoy izy tamin’ilay namalona ny rebarebany - tsy misy ilàna iny intsony ; toa ny aiko ihany koa !... ». Efa nitoetra tao San Remo ihany izy folo taona lasa izay, nefa dia mampihoron-koditra azy ny mandre io anarana io fa toa midika toeram-pahasambarana sy harifomba loatra ho azy, na dia isan’ny nipoitra tao aza ny sampam-pikambanana iray dia ny an’ny San Romolo.

            Ny 08 Marsa, ny alina mialoha ny hiaingany, dia mbola nanda indray mandeha ny handeha izy nandritra ny firariany ny « Soava mandry » : « Tsy mba eo anivon’ireo palmiers no iriko hahafatesana fa eo anivon’ireo mahantra, endrik’i Jesoa Kristy ». Taorian’izay dia niteny ny amin’ny fanamasinana pretra izy, niresaka ny amin’ireo pretra polonais akorontan’ny ady, ny amin’ny asa hanirahana ny fikambanana, ny amin’ireo Reny telo lehiben’ny Fitondran’Andriamanitra dia i Masina Maria, ny Fiangonana ary ny Fikambanana. Nasiany teny ihany koa ny amin’ny fahatokisana an’Andriamanitra sy ny fiantsoan’Andriamanitra, ary farany dia hoy izy : « Eny àry ! veloma ry zanako malala ! veloma ! ». Fantany nialoha izay hitranga ! (sary 47). Mbola nanatona ny mpikambana iray anefa izy avy eo talohan’ny hiaingany : « Te-hikonfesy aho - hoy izy - dia ny konfesy hoenti-maty… ».

 

JESOA ! JESOA ! JESOA !

 

            Telo andro (09-12 Mars 1940) no nitoerany tao amin’ny tranom-bahiny Mb Clotilde, izay an’ny Fikambanana tao San Remo. Telo andro nolaniany tamin’ny vavaka sy asa : nanomana andiana misionera vaovao izy, nanoratra taratasy sy nandefa telegrama, ary iray amin’ireny ilay nalefany ho an’ny Papa Pio XII izay kanto tokoa noho ny tsingerin-taona naha-voafidy azy ho Papa. Mbola nandray ireo mpikambana tonga namangy azy ihany koa izy. Ny 12 Marsa dia nandray an’i Mompera Terenzi, pretra mpitantana ny fiangonana « Amore Divino », tsy lavitra an’i Roma izy : nanampy azy toy ireny mpiservy kely ireny io nandritra ny sorona masina niarahany nanolotra taminy, ary ny hariva, nony hisaraka izy ireo dia mbola nanoratra tamin’ny karatra postaly iray i Mompera Orione  ho fahatsiarovana ho azy ka ilay fehezanteny maminy sy famerimberiny : « Arahaba, ry Maria dia roso indray ! » no nosoratany tamin’izany. Naniry ny hiara-hivavaka hariva sy hanao ny raozery tamin’ilay mpiandry marary izy talohan’ny sakafo hariva. Tamin’ny folo alina dia mbola naharay telefaonina avy tany Roma izy, ary tamin’izany no nanekeny ny handraisana tovovavy mahantra iray hiditra tao amin’ny « Tranokely Cottolengo » tao Genova. Farany, taoriani’zay vao niala nandeha niala sasatra izy.

            Tamin’ny 11 latsaka fahefany anefa dia nahatsiaro ho hafahafa izy. Zara raha nahaloa-peo hiantso. Niolomay ilay mpiandry marary nanohana sy nanampy azy. Tonga teo am-baravarana ny Masera iray nefa dia notohainy tsy hiditra sy tsy hanao na inona na inona. Nampiantsoina ny mpitsabo nefa dia tara fahatongavana. Toy ny hoe nisy fanasana an-tsoratra voarainy nanao hoe « Indro tamy i Jesoa ! ‘ndeha hihaona aminy !... » ka novaliany tamim-peo nitaraindraina hoe : « Jesoa !...Jesoa !...Jesoa !... handeha aho !... ». Dia nanondana ny lohany teo an-tratran’ilay mpiandry marary izy teo am-panorohana ny Tompo.

 

 

NY FANDRESENY

 

            Tsy ny Fikambanana ihany fa i Italia manontolo no taitra sy tohina tamin’izao fahalasanan’i Mompera Orione tampoka izao. Nandritra ny herinandro dia nentina nitety faritra maro ny vatana mangatsiakany ary tena fandraisana mpandresy no nandraisan’ny tao San Remo, Genova, Alessandria, Milan, Pavia, Voghera, Tortona azy, nohajain’ireo Kardinaly toa an-dry Boetto sy Schuster sy ny Eveka ary ireo olom-panjakana sy solontenam-panjakana maro. Ranomaso ny an’ireo zanany am-panahy sy ny an’ireo olon-tsotra nohasoaviny, izay nahazo hery sy fanalana alahelo nandritra ny asam-pitiavana nanirahana an’i Mompera Orione, ary dia niverina tao amin’ny finoana an’i Kristy sy ny Fiangonany noho ny tana-maherin’Andriamanitra loharanon-tsoa.

            Ny 19 Marsa, fetin’i Md Josefa, no nametrahana ny vatany tao Tortona, ilay « tanànan’ny ranomasony sy ny fitiavany », tao amin’ny crypte-n’ny Fiangonan’i Masina Maria Mpanjakavavin’ny Fiambenana, ivon-toeran’ny Fikambanana « Asa kelin’ny Fitondran’Andriamanitra », izay toerana nandevenana ihany koa an’i Mompera Carlo Sterpi (1951) sy i Mompera Gaspare Goggi (1960), ary ireo mpiara-niasa taminy izay niavaka noho ny fahamendrehana sy ny hatsaram-panahy samihafa.

 

IREO SAKAIZAN’I MOMPERA ORIONE

 

            Ny fahalasanan’ilay Mpanorina no vao mainka koa nampitodika ny fijerin’ny maro tany amin’ilay « Asa Kelin’ny Fitondran’Andriamanitra » nohodidinin’ny fitiavana manokana ireo madinika sy mahantra mamin’ny fony, sy ny fitiavana ny Fiangonana masin’Andriamanitra. Teo no nipoitra tetsy sy teroa ireo hoe « Sakaizan’i i Mompera Orione », izay nangataka ny hiankina amin’ny Fikambanana mba hampiely ilay toe-panahy feno fitiavana nananany amin’ny firenen-tsamihafa manomboka izao.

            Nandrehitra afom-pitiavana ambony sy fankaherezana tao am-pon’ireo mpianany, ireo maintimolalin’ny sekoliny ary tao amin’ireo sakaizany sy izay rehetra mora tohina sy notarihin’ny fanaovan-tsoa i Mompera Orione. Tara-pitiavan’i Kristy avy any an-danitra, fanantenana sy antoka tokan’ny famonjena anivon-java-tsarotra sy ny hadalana maizin’izao tontolo izao.

 

AO AMIN’NY VONINAHITRA

 

Ny Fiangonana dia nametraka tamin’ny fomba ofisialy ny tombo-kaseny ho eo amin’ny fahamasinan’ny zanany, dia i Don Orione, miaraka amin’ny fankalazàna manetriketrika ny fanandratana azy ho olomasina, izay notanterahin’ny Papa Ray masina Joany Paoly II  tamin’ny 16 May 2004, tao Roma. Io fanandratana azy ho olomasina io no nametraka azy ho eo amin’ny faratampon’ny famakivakiana ny asa maharitra, izay nahasarika ireo olon’ny Fiangonana, sy niantsoana an’Andriamanitra ho fototr’izany, izay nanamafy ny fahamasinan’i Don Orione, niaraka tamin’ireo fahagagana maro. Nandinika sy nijery ity olomasintsika ity Izy nandritra ny fiainany teto an-tany, tamin’ireo teniny, ireo asany, ireo asa sorany ary ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo rehetra izay nahafantatra azy. Miaiky ny Fiangonana ankehitriny fa masina i Mompera Luigi Orione ; eo akaikin’Andriamanitra izy, ary asehony fa modely mahery fo amin’ireo hatsaram-panahy sy fianana kristianina  ho an’ny mpino rehetra izy. (Sary 48). Isika rehetra ihany koa dia voaantso mba hanaraka ny làlana nodiaviny, satria ny vita batemy rehetra no natoro ny fahamasinana tahaka ny fiantsoana iombonana sy manokana.

            « Ny hoe masina » dia midika hoe mahitsy, marina, lavorary amin’izay rehetra atao. Ny fahamasinana dia ny toetran’Andriamanitra, ilay fahalavorariany tonga lafatra.

            « Aoka ho masina ianareo, tahaka ny Rainareo izay any an-danitra » (Mt 5, 38).

Indro fa voasandratra ho eo amin’ny voninahitra lehibe ny mpanorina ny Asa Kelin’ny Fitondran’Andriamanitra, sy ny Masera Madinika iraky ny Fitiava-namana. Ilay madinika, mpanamboatra làlana teo amin’izao tontolo izao no nanjary làlana mba hiainana ny Evanjely sy i Kristy, nanjary vava asan’ny fitiavana izay misokatra amin’ny rehetra, nefa mirona kokoa amin’ireo madinika sy ireo mijaly, izay mpikambana manana ny toerany amin’ny Vatan’i Kristy.